Politique

Nosy-Be Ifandroritana ny tanin’ny Sirama


  • Alakamisy 20 Martsa 2014


 Tonga eto Antananarivo mba hitaraina mivantana amin’ny tompon’andraiki-panjakana mahefa amin’ny zava-manjo azy ireo mponina niorim-ponenana eo amin’ny tanin’ny Sirama Nosy-Be hatramin’ny taona 2005. Araka ny nambaran’izy ireo dia nomen’ny Kaominin’i Nosy-Be Hell-Ville alalana ny vahoaka hanorim-ponenana amin’ny tany fambolen’ny Sirama fary tao Andranomangotroka, tafiditra amin’ny drafi-panitarana ny tanàna, noho ny fikatonan’ity orinasa Malagasy mpamokatra siramamy ity, hoy ireto mponina ireto ary misy vahiny nanao izany koa dia nahazo. Ny taona 2012 anefa dia notorian’ny Sirama ho mangala-tany ireo nanorim-ponenana teo. Tonga teny amin’ny fitsarana ny raharaha, ary nitarika fandravana fefy sy fandrahonana handravana ny tanàna manontolo, hoy ny mpitondra tenin’ny fikambanana. Nanangana fikambanana antsoina hoe “Association Vato Es Salam” ireto farany hanoherana izany ary miandrandra vahaolana amin’ny mpitondra.

Manohy 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT