Politique

Norbert Lala Ratsirahonana "Tsy ekenay hisy kolikoly ny ministeranay"


  • Alatsinainy 21 Martsa 2022

Nahazo minisitra miisa roa ao anatin’ny governemanta ankehitriny dia ny Minisitry ny fitaterana sy ny famantarana ny mety ho toetry ny andro Atoa Ranjatoelina Rolland sy ny Minisitry

ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena ara-stratejika Rakomalala Herinandrainy Olivier ny Antoko AVI (Asa Vita no Ifampitsarana), raha ny nambaran’Atoa Norbert Lala Ratsirahonana ny sabotsy 19 martsa teo. Feno 25 taona ny Antoko AVI amin’izao, nanana olom-boafidy, nanana minisitra foana, ary indraindray niaraka tamin’ny fanjakana rehefa mifanaraka ny hevitra, ary indraindray tsy miaraka rehefa tsy mety ny raharaha, hoy Ratsirahonana. Miaraka amin’ny Fitondrana sy ny Filoha Rajoelina amin’izao. Tao anatin’ny 25 taona, dia nanana minisitra foana teo amin’ny 15 taona teo. Nalahelo ny Mpikambana AVI hoe: mba nitolona sy nametraka ny Fanjakana ihany, ka angamba ren’ingahy filoha, ka nahazo minisitra roa, hoy Filohany. “Tsy ny fananana minisitra ao anatin’ny governemanta anefa no handravako ny fihavanana amin’Atoa Andry Rajoelina nandritra ny 15 taona. Ny AVI angamba no antoko ela indrindra nanohana azy. Nanohana azy tamin’ny 2007 nirotsaka ben’ny tanàna, ary nanohana azy tamin’ny fifidianana filoha ny 2018”, hoy hatrany i Norbert Lala Ratsirahonana. Notsipihiny kosa fa misy ny firaisankinan’ny governamanta (solidarité gouvernemantale), ka tsy misy olana raha minisitra AVI no hanohana an-dRajoelina amin’ny 2023, ka tsy handeha handroaka ny mpikambana, fa manana ny fahalalahany ny tsirairay. Etsy andaniny, nambaran-dRatsirahonana fa mijoro amin’ny foto-kevitra roa dia ny Fanjakana tsara tantana, tsy misy mpangalatra, tsy misy mpanao tsindrihazolena, fa entin’ny Raiamandreny mahalala ny tokony hatao any an-tokantrano ny AVI. Fotokevitra faharoa dia Fanjakana tan-dalàna manaja ny lalàna sy ny tany tan-dalàna izany no tiany apetraka eto amin’ny tany sy ny fanjakana, ka rehefa tsy mifanaraka amin’izay, dia toy ny mpanohitra ny AVI. Asa izany ve no miseho eto ankehitriny? Toa vely kanota ho an’ny fitondrana be kolikoly indrindra tao anatin’ny 60 taona io. “Ny Minisiteranay, dia tsy ekenay hisy kolikoly intsony ao anatiny. Hihezaka amin’izany izahay manomboka izao, ka na iza na iza manao kolikoly ao amin’ny minisiteranay, dia tsy hisy indra-fo. Tsy ekena ary heverinay fa tsy rariny. Anjaran’ny fitsarana no mitsara an’ireny, ary aminay tsy misy olana izany fa tokony hotsaraina. Nampahatsiahy izy fa fony Praimininisitra notendrena, dia nilaza mihitsy fa na ny zanany aza manao heloka (infraction) sy hadisoana dia gadrao. Izay no ataoko amin’ny olona rehetra hoe: raha ohatra ianao manao heloka dia tokony hizaka ny vokany na iza na iza”, hoy Ratsirahonana

Tsara ny mampahatsiahy, fa taorian’ny 15 aogositra, dia naneho fahadisoam-panantenana tamin-dRajoelina Atoa Ratsirahonana, ka naneho fa nisy olona nafarany avy any Frantsa mihitsy hoe: atao minisitra kanefa tsy notendrena ho minisitra akory. Namoaka vava mihitsy aza fa raha olona manam-pahaizana atao mpikamban’ny governemanta manana betsaka ny AVI. Efa naneho ihany koa fa efa hatry ny ela no niala tsy ho mpanolontsain-dRajoelina izany. Miakatra ny maripana politika, ka dia nomena toerana izany ny olon-dRatsirahonana, ity farany izay nanao ny mafana sy ny mangatsiaka teto amin’ny firenena hatramin’izay.
Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT