Nomena naoty 3,81

10 ny kaominina 698 Ary mba firy no mendrika ny Fanjakana foibe?


  • Alakamisy 30 Desambra 2021

Kaominina 698 no nahavitan’ny minisiteran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana fanadihadiana momba ny fitantanana ifotony, tamin’ny alalan’ny Sampana fanaraha-maso ny fitsinjaram-pahefana sy ny fampandrosoana

 ifotony (ODDL), tohanan’ny PAPSP (Projet d’Appui à la Performance du Secteur Public) tetikasan’ny Banky Iiraisam-pirenena, hoy ny tatitra. Naoty 3,81/10 no azon’ireo kaominina ireo rehefa nohadihadina ny tondron’ny fitantanana ifotony na IGL (Indicateur de Gouvernance locale). Anisany anomezana naoty amin’izany ny fahaizana manetsika ny loharanon-karena anatiny, ny fampihodinana ny asa andavanandro, toy ny sora-piankohonana…, eo koa ny fitantanam-bola sy ny tsenam-baro-panjakana eo anivon’ny kaominina. Nambara fa tanjona ny hahavitana ny fanadihadiana amin’ny kaominina rehetra (1695) manerana ny Nosy hatramin’ny taona 2023. Kendrena ao anatin’izany ny hahazoan’ny antsasaky ny kaominina naoty 6/10 fara-hafakeliny. Entanina ihany koa ny kaominina tsirairay mba hiroso amin’ny fanombanan-tena (autoévaluation IGL), mba hahafahanany manangana drafi-panarenana sy fampandrosoana raha misy ny lesoka, hoy ny tatitra. Kaominina 450 no efa nanao izany, raha 400 kaominina no tanjona ny taona 2021. 5,39/10 no naoty azon’ireo kaominina nanao “autoévaluation IGL” ireo. Nambara fa nirosoan’ny minisitera ny fametrahana ny Rafitra Ifoton’ny Fikaonan-doha RIF na SLC (Structure Locale de Concertation) eo anivon’ny kaominina, izay voalaza tamin’ny fanavaozana ny lalàna mahakasika ny Vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana. Tanjona ny handraisan’ny rehetra anjara amin’ny fampandrosoana… Nanomboka ny 2015 hatramin’ny 2021 dia kaominina 14016 no nahavitana fanentanana amin’ny fananganana ny RIF. 761 amin’ireo no efa nametrahana ny RIF, ary 284 no efa mihodina tsara. Misy ny boky toro lalana narafitra ary havoaka tsy ho ela.


Isan’ny mbola lesoka be ny fitsinjaram-pahefana sy fitsinjarana ara-bola eto amintsika. Mivangongo any amin’ny rafitra aty ambony, tsy mipaka eny ifotony, ny any ambany indray no mbola trongisina hamelona ny aty an-tampony izay toa manao ampihimamba sy izay saim-pantany amin’ny vina sy ny tetikasa ambara fa fampandrosoana. Lojika raha ratsy ny naoty eny ifotony. Ary mba firy ny naoty mendrika ny Fanjakana foibe?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT