Tsy mbola latsaka an-davaka lalina tahaka izao ny firenena Malagasy hatramin’ny nahazoana fahaleovantena. Mahantra amin’ny lafiny rehetra ny Malagasy izay efa ny 81% no voasokajy ho ao anatin’ny fahantrana farahidiny
araka ny tatitry ny Banky Iraisam-pirenena, raha toa ka 74% izany nialohan’ny nandraisan’Atoa Andry Rajoelina ny fahefana ny taona 2019. Mihemotra amin’ny lafiny rehetra i Madagasikara: toekarena, sosialy, politika, demokrasia, fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety, ady amin’ny kolikoly, eny fa hatramin’ny baolina kitra aza. Marina fa eo ny krizy iraisam-pirenena niainga tany amin’ny coronavirus, ny ady any Ukraine,… saingy tsy mitombina ny fialana bala sy fanilihana ny tsy fahaiza-mitantana amin’ireny. Mahay mandrombaka fahefana amin’ny fomba rehetra, fa tsy mahay mitantana firenena i Andry Rajoelina sy ekipany. Kitsapatsapa sy kisendrasendra ary tora-po no hitondrana firenena, fa tsy misy vina maty paika. Ny firenen-drehetra samy tratry ny valanaretina avokoa, ary mbola maro aza no lasibatra lavitra noho isika, fa isika ihany no mihazakazaka ho rambony noho ny tsy fahaiza-mitantana.
NY NAMBOLY KRIZY DIA MISY NY MPANARINA
Tsy vao izao io fa isaky ny avy mandray fahefana i Andry Rajoelina. Tombony ara-politikany ny fahasahiany mandainga sy mampanatena zavatra tsy ho tanterany na sarotra tanterahana. Izay fomba hanatanterahana azy, ny hoenti-manana ara-bola,… tsy mazava fa ny zava-dehibe dia mampanantena. Arakaraka ny zava-miseho ny fomba fitantanana, kitsapatsapa no betsaka tahaka fa tsy manana vina sy programa mazava, tsy maharesy lahatra mpamatsy vola sy mpampiasa vola,… Mitady izay hanilihana ny tsy fahombiazana hatrany. Nandalo krizy goavana isika ny taona 2001-2002, nahatratra 6 volana ny fifandonana ara-politika, fa niarina sy nandeha ny toekarena, taona vitsy taty aoriana dia voafidin’ny ONUDI (Organisation des Nations Unies pour le Développement Industriel) i Madagasikara, ary sangany tamin’ny fiakaran’ny toekarena izay efa nahatratra 7,1%, efa niainga ny toekarena na teo aza ny krizy isan’ny goavana indrindra eran-tany. Tokony ho isika no nandray ny fivorian’ny Vondrona Afrikanina ary ny Filoha Malagasy no tokony ho nitantana izany ny taona 2010 izay fanamafisana fanokafana ny vavahadin’i Madagasikara, raha tsy nisy ny fanonganam-panjakana ny 2009. Tonga i Andry Rajoelina ny taona 2009, nilaza hanao revolisionina, kanefa nitotongana ambony ambany ny toekarena, voasazin’ny iraisam-pirenena,… Nanjaka toy io misy ankehitriny io ny kolikoly, trafikana harem-pirenena,... Nilatsaka 3,3% ny fiakaran’ny harin-karena. Tonga indray i Hery Rajaonarimampianina, namantana krizy, nisedra hetraketraky ny volomboasary… Maro ny lesoka ara-pitantanana, saingy nahavita nampiakatra ho 5,4% ny harin-karena. Tonga indray i Andry Rajoelina ny 2019 dia niverina ho toy ny taorian’ny 2009 ny sary. Niiba -7% ny toekarena ny 2020.
Raha toa ka mbola izy no ho lany eo, ho sarotra ny hanantena fa hahita lalan-kivoahana satria efa 8 taona izao tsisy hafitsoka, ary henjana ny hanarina ny fahapotehana nataony. Mila olona havanana sy mahay, manana paikady mahomby sy tena mifanaraka amin’I Madagasikara, fa tsy mpitondra mbola hitsapatsapa sy hampiaina vahoaka amin'ny kisehoseho ivelany lava.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.