Politique

Niporitsaka ny porofo momba ny teti-dratsy Nokasaina ho vonoina ho faty i Ninie Donia


  • Alarobia 06 Jolay 2022

Misy mitady hifofo ny ain’i Ninie Donia, izay any am-ponja noho ny resaka fiarovana tany ao Nosy Be amin’izao fotoana izao,

namoronana heloka ho mpikambana amina fikambanan-jiolahy. Nanomboka ny 13 jona 2022 lasa teo no naiditra am-ponja, ary nohelohina higadra 6 volana sazy mihatra ny 30 jona teo. Raha hiverenana, nijoro niaro ny tany izay voalaza fa an’ny razamben’izy ireo i Ninie Donia sy ny Fikambanan-drazana Zafinifotsy, izay fikambanana ara-dalàna voalaza nahazo “récépissé” ara-dalàna avy amin’ny Minisiteran’ny atitany, saingy tondroina ho fikambanan-jiolahy. Raha ny ambangovan’ny raharaha, voalaza nampiasain’ny Sirama ny tany, io indray no namindra na nivarotra tany amin’ny vahiny, raha ny fanambaran’ny Vondrona RMDM omaly. Raha ny fantatra moa dia efa nodimandry nandritra ny valanaretina coronavirus ny karana nampiasa ny tany. Efa tapitra ny fe-potoana tokony hanofana ny tany, ka miverina mazava ho azy any amin’ny tompony raha ny lojika. Misy te hibodo, ary olona mpanefoefo sy manam-pahefana goavana eto amin’ny firenena anefa ny tany. Tsy ireo mivantana no manao ny herisetra mivantana na ankolaka any Nosy Be fa karazana mpikaram’ady. Lehilahy iray mitondra ny anarana S…. no tena miditra an-tsehatra amin’izany. Tonga hatramin’ny fikasana hamono ain’olona satria hoe: raha mbola eo i Ninie Donie dia tsy maintsy hitabataba ka manelingelina. Teratany Malagasy io manam-pikasana hifofo ny ainy io fa tsy mba vahiny. Nisy naka ny feo nifampiresahana tamin’ny ampanjaka any an-toerana mikasika io raharaha io. “Isan’ny voarakitra ao anatin’izany ny hoe: raha ny hatezerako tamin’ny alatsinainy iny, betsaka ny maty teo”. Ny tena loza dia ny hoe: “Izy io mila hatsahatra”, izay raha vantanina dia hoe mila vonoina, saingy misy Raiamandreny niteny an’io hoe tsy mety io ataonao io. “Izaho tsy manaiky an’izany, fa mandraisa fanapahan-kevitra amin’ny maha olombelona anao, fa ny famonoana olona izany tsy vahaolana”. “Isika matanjaka” hoy izy namaly an’izay. “Tany misy olobe tsy miady zaza ary izaho tsy manaiky an’izany na inona na inona. Mahafantatra ianareo izao fa misy ampanjaka eto….”, hoy indray ny setriny, ary namaly kosa ny andaniny hoe: “Izaho tsy hipetraka amin’izay foana fa izaho handalo amin’ny sous-prefet. Rehefa tsy handray andraikitra ianareo, tsy mety aminay ny ataon’io…”. “Ianao koa sosotra tsisy raha tsy vitanao, zavatra tsy tokony ho vitanao lasa vitanao, fa mandefitra ny tokony hatao”, hoy kosa ilay olobe. Henjana ity raharaha ity satria raha zohiana, tandindonin-doza ny ain’i Ninie Donia, mivadika ho raharaha maloto tonga hatramin’ny fandatsahan’aina. Tsara ny manamarika sy mampahatsiahy fa ao anatin’ny antoko mpanohitra dia ny TIM izy, mpitarika ny RMDM,…
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT