Mafana ny toe-draharaha ara-politika, sosialy, toekarena, ary indrindra ny lafiny fahasalamana eto amin’ny firenena,
ka nipoitra indray ny Praiminisitra Ntsay Christian izay matetika misy zavatra lehibe manahirana ny Fanjakana vao tena handrenesam-peo. Mikasika ny valanaretina coronavirus, nambarany ny sabotsy teo, fa voafehy ny toe-draharaha. Tsy hisy fihibohana amin’ny ampahany izany. “Efa voafehy fa mbola tsy vita ny ady, tsy ao an’eritreritry ny Fanjakana mihitsy ny hanao fihibohana ilay nahazatra antsika. Mila hentitra ny fanajana ny fepetra; manao ny asany ny ministeran'ny fahasalamana manaraka lamina efa maty paika, manampy azy ny fanjakana, ny manampy azy isika rehetra, mila miaro tena”, hoy hatrany ny lehiben’ny governamanta. Tena voafehy tokoa ve raha tarafina amin’io firongatry ny valanaretina io?
“TSY VOATERY HO HITAN’NY OLONA NY ASA”
Ara-politika kosa, indrindra fa eo anatrehan’ny adihevitra amin’ny tokony hanovana ny governemanta, dia nilaza ny tenany fa tena miasa sy mampandroso izy ireo. “Tsy voatery ho hitan’ny olona ny asa fampandrosoana ataon’ny governemanta. Ny Filohan’ny Repoblika no nametraka, ary izy no tompon’ny teny farany amin’ny mety ho fanovana na fanitsiana. Tsy azo terena amin’izany izy. Miezaka mitondra vahaolana ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana izao, ary tao anatin’ny taona maro. Miasa mafy ny governemanta, tsy voatery ho hitan’ny olona izany, fa hita amin’ireny fitokanana samihafa ireny, hoy ny Praiminisitra. Ny vahoaka Malagasy no nifidy, ary izany no atao hoe maro an’isa sy fanjakana ny demokrasia sy ny tany tan-dalàna. Ireo manakiana sy milaza manana vahaolana ireo raha averintsika eo amin’ny fitondrana dia hanao ny efa nataony taloha ihany”, hoy Atoa Ntsay Christian. Midoka tena ho tena miasa izany izy ireo, saingy tsy mahavaha olana sy sasatry ny mamono afo. Ny atao miasa sy mampandroso izany eto dia misy asa tokanaa, ka tsy olana na maty noana aza ny vahoaka, midangana ny vidim-piainana, mitotongana ny ariary, tsy manana asa ny maro an’isa,… Izay tokoa izany ilay teniny hoe: “tsy voatery ho hitan’ny olona ny asa fampandrosoana” satria tsy mifanaraka amin’ny ilainy sy tadiaviny rahateo.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.