Azon'ny PACsy ny Fitsarana tsotra sy enjehina Ramonjavelo sy Ravalomanana
Namoaka fanapahan-kevitra roa lehibe ny Haute Cour Constitutionnelle (HCC) mikasika raharaha kolikoly nahavoarohirohy ireo tompon’andraikitra ambony teo aloha ao amin’ny Fanjakana. Amin’ireo raharaha roa, nanamafy mazava ny HCC fa manan-kery ny fahefana ananan’ny Pôle Anti-Corruption (PAC). Voalohany, mikasika an’i Valéry Ramonjavelo, minisitry ny Fitaterana sy ny Toetrandro teo aloha, nampahatsiahy ny HCC fa araka ny Andininy faha-133 ao amin’ny Lalàm-panorenana, ny mpikambana ao amin’ny governemanta dia tompon’andraikitra ara-pitsarana eo anoloan’ny Haute Cour de Justice amin’ny asa ataony mandritra ny fandraisana andraikitra. Na izany aza, nanazava ny HCC fa tsy azo heverina ho asa ara-dalàna amin’ny maha-ministra ny kolikoly sy ny heloka mitovitovy aminy. Asa mitondra tombontsoa manokana, tsy mifanaraka amin’ny andraikitry ny ministera izany. Noho izany, azo tsaraina amin’ny fitsarana mahazatra izy, ary manan-kery ny fanenjehana azy eo anoloan’ny PAC. Raha tsiahivina, isan'ny raharaha goavana nahasaringotra an'io Minisitry ny fitaterana teo aloha io ny raharaha Boeing 777 nalefa any Iran, izay heloka Iraisam-pirenena henjehin'ny Amerikanina. Toy izany koa ny fanapahan-kevitra momba an’i Richard Ravalomanana, filohan’ny Antenimieran-doholona teo aloha. Raha tokony ho eo anoloan’ny Haute Cour de Justice amin’ny asa mifandraika amin’ny andraikiny izy, dia nanambara ny HCC fa tsy mifamatotra amin’ny andraikitra ofisialy ny kolikoly iampangana azy. Noho izany, tsy mifanohitra amin’ny Andininy faha-133 ny fitoriana sy ny fitsarana azy eo anoloan’ny PAC. Ity manamboninahitra misotro ronono ity izay voasaringotra ho nanapatra sy nisandoka fahefana tamin'ny fibaikoana andiana mpitandro filaminana hamoritra sy hamono vahoaka tamin'ireny tolom-bahoaka ny septambra-oktobra 2025. Voarohirohy amin'ny herisetra sy olona niniana natao. Amin’ireto fanapahan-kevitra roa ireto, nanamafy ny HCC fa tsy voarakotra amin’ny “privilège de juridiction” ny heloka kolikoly, na dia ho an’ireo manampahefana ambony aza. Mitohy ho an’ny fitsarana manokana sy mahazatra ny fahefana amin’ny fanenjehana ireo raharaha kolikoly. Nanamafy ny HCCfa tsy misy olona ambonin’ny lalàna, ary ny kolikoly dia heloka manokana izay tsy azo afenina ao ambadiky ny andraikitra ofisialy. Izany dia manamafy ny fahefana sy andraikitry ny Pôle Anti-Corruption amin’ny ady amin’ny kolikoly eto Madagasikara. Adihevitra hatramin'izy ity resaka Fitsarana samihafa ho an'ny olon-tsotra sy ny olom-panjakana ambony ity. Ny mpitondra ambony nangalatra sy nanodinkodina amina miliara tsy afaka henjehina amin'ny Fitsarana Ambony HCJ raha tsy mandalo fankatoavan'ny depiote, fa ny sivily tsotra betsaka no an-taonany tsy voatsara sy maty any am-ponja.
EFA AZO SAMBORINA SY HENJEHINA !
Efa nampidirina am-ponja nanomboka vonjimaika eny Imeritsiatosika nanomboka ny 20 janoary 2026 teo ny Jeneraly misotro ronono Ravalomanana Richard. Efa ny volana aogositra 2025 izany hoe fony mbola fitondrana Rajoelina no efa namoahana didy tsy mahazo mivoaka any ivelan'i Madagasikara Valery Ramonjavelo, saingy asa na mbola eto Madagasikara na efa tafaporitsaka, fa tamin’izany raha saika hivoaka an’i Madagasikara dia voasakana. Izy izay mbola tsy azon’ny Fitsarana tsotra nenjehina tamin’izany fa tsy maintsy ny HCJ (Haute Cour de Justice) ialohavana fankatoavan’ny mpikambana maro an’isa ao amin’ny Antenimierampirenena. Isan’ny nandetika azy mafy i Rinah Rakotomanga izay anya am-ponja amin’izao. Tsiahivina fa noho ny raharaha Boeing 777 miisa 5, nasiana laharam-pamantarana Malagasy tonga tany Iran, no nanesoarana azy teo amin'ny toerana maha-minisitra. Ny orinasa Udaan Aviation nampiasaina izay tafiditra tao anaty lisitra fa an’i Mamy Ravatomanga taty aoriana, raha ny ny lisitra navoakan’ny Maorisianina.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.