Politique

Nikorapaka ny PAF - Ivato « Tsy nanakana minisitra izany izahay »


  • Alatsinainy 14 Jona 2021

Nambaran’ny vaovao an-gazety iray ny herinandro teo, fa mpikamban’ny governemanta maromaro no tsy nentina tany Tolagnaro tamin’ilay “colloque”

 

 

 notarihin’ny Filoham-pirenena, dia ny Minisitry serasera sy ny Kolontsaina, Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria, minisitry ny filaminana anatiny, minisitry ny paositra sy ny fifandraisan-davitra, minisitry ny fitaterana sy ny fizahantany, minisitry ny asa sy ny lalàna sosialy. Nambaran’io gazety io, fa nanao amboletra nividy tapakilana fiaramanidina hihazo an’i Taolagnaro io Minisitra io, saingy nisy ny toromarika avy amin’ny Sekretera Jeneralin’ny Fiadidian’ny Repoblika Atoa Valery Monjavelo nandrara ny fahafahany nandeha. Nambaran'io gazety io fa mamofompofona fanovana governemanta, ary isan’ny ratsiratsy toerana ny Minisitry ny serasera sy ny Kolontsaina Rtoa Lalatiana Andriatongarivo. Nisy kosa ny fanambarana navoakan’ny polisim-pirenena omaly, fa manoloana io resaka izay milaza fa nisy mpikambana iray ao amin'ny governemanta voasakana teny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato io raha saika hiondrana ho any Taolagnaro, dia nilaza ny Polisim-pirenena ( ny polisy miaro ny sisitany - PAF) izay mahatsiaro ho voatohintohina amin'izany. Tsy nisy mpikambana ao amin'ny governemanta izany nikasa hiondrana ka nosakanan'ny Polisim-pirenena, hoy ny PAF. Tsy nisy ihany koa antso an-telefaonina voaray avy any amin'ny fiadidiana ny repoblika manome toromarika mikasika izany. Ny Polisim-pirenena dia manamafy fa ny fandraisany fanapahan-kevitra rehetra mikasika ny asa dia atao ao anatin'ny fanajana ny lalàna hatrany, hoy io fanambarana io. Na izany na tsy izany, dia tsy mamaly sy mahazava ny antony tsy nahatonga ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina tany Tolagnaro aloha io fanazavana io. Ny resaka fampandrosoana ny faritra iray dia tsy afa-misaraka ny kolontsaina sy serasera, ary izany no ilàna ny antsoina hoe: “mpanalalana” amina tetikasa atao, fa tsy vitan’ny resaka teknika sy siantifika fotsiny. Hafahafa ihany ny tsy naha teo ny Minisitry ny kolontsaina.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT