Isan’ireo kandida ho loholona nametraka ny dosieny tao Fianarantsoa omaly ny filoha tale jeneralin’ny fahitalavitra TV Plus, Nicolas Rabemananjara, lohalisitra ho an’ny faritra Vatovavy Fitovinany.
Nanao politika ihany fa tsy araka izay nolazainy hoe tsy manao politika, araka izany, ity mpandraharaha ity. Nanaiky niloko volomboasary ihany koa satria dia ny fanevan’ny Isika rehetra distrika miaraka amin’ny filoha Andry Rajoelina na ny vondrona politika IRD no nirotsahany ho amin’izay fihazakazahana ho eny amin’ny lapa maitson’Anosikely izay. Maro ireo efa velom-panontaniana moa raha vao nijoro vavolombelona nilaza ny tenany ho sitran’ny tambavy CVO raha nolazoin’ny aretina Covid 19 ity mpandraharaha ity.Ary maro ny faritra efa noteteziny an-taonany maro izay, indrindra fa tamin’iny ilany atsimo atsinanana iny. Kandida izy izao.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.