Politique

Nicolas Dupuis “Tsy manana olana amin’i Njiva sy Dax aho”


  • Alatsinainy 19 Oktobra 2020

Nigadona an-tanindrazana ny sabotsy alina teo ny Delegasiona Malagasy nitondra ny BAREA tany Maroc izay niatrika ny lalao ara-pirahalahiana tamin-dry zareo Burkinabe ny 12 oktobra teo,

 

 ka anisan'izany ny mpanazatra Nasionaly Nicolas Dupuis.Nambarany teo am-pahatongavana fa afa-po sy mahatoky tanteraka ireo mpilalao rehetra nivondrona farany teo izy. Momba an'i NJIVA sy DAX dia aleo hazava amin'ny rehetra fa mbola ao anatin'ny BAREA hatrany izy ireo ary tsy midika akory hoe rehefa tsy voaantso teo dia tsy ho voaantso intsony, hoy i Nicolas Dupuis, izay naneho fa eo am-pijerena vahaolana ihany koa mahakasika azy mirahalahy ireo. Tsy manana olana amin'izy roalahy ireo aho, hoy ity Mpanazatra ny ekipam-pirenena ity. Ny tanjony goavana, hoy izy, dia ny hananana ekipa tsara indrindra sy mamokatra, mafy sy mahazaka mifanandrina amin'ireo andrarezina Afrikanina.

HENJANA NY ADY MIANDRY

Ady lehibe no miandry ny Barean’i Madagasikara ny 9-17 novambra izao. Ny lalaon’ny Barea sy ny Elefanta no lalao voalohany hisantarana ny Kianjabe Alassane Ouattara "Olympique D'ebimpé" ao Abidjan, izay notakanana ny 03 Oktobra teo. Mahazaka olona 60 000 ity kianja vaovao izay raitra dia raitra ity. Any Toamasina kosa hatreto no voatondro hanaovana ny lalao miverina.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT