Na inona na inona resaka sy tatitra nataon'ny CENI dia tsy mba nanao fandinihana sy fikarohana lalina mihitsy ve ny HCC amin'ny maha mpitsara azy fa dia mionona amin'ny fandraisana taratasy nomena azy ?
Ny lisi-pifidianana aza feno tsy fetezana kanefa nifaka tamin’izay ny fanapahan-kevitry ny HCC. Raha vao tahirin-kevitra na “document de base” niasana avy any amin’ny CENI dia efa tsy azo antoka, raha halalinina ny zava-nisy. Ny filoha lefitry ny CENI no nesorina mba ho famonoana afo na “fusible” eo anatrehan’ny fiakaran’ny maripana politika. Samy nandentika azy ny rehetra ao anaty fanjakana. Tonga hatramin’ny hoe : tsy tenin’ny CENI ireny nambarany ireny fa tenina olona iray ao anatiny. Ny Filoha lefitry ny CENI anefa hatrizay no sahy sedra sy nijoro niaro io rafitra io, fa tsy nisitritsitrika tahaka ireo mpikambana hafa. Tsy nisy sahy nijoro hatrizay fa amin’ny anaran’ny teniny manokana no nitenenan’io Filoha lefitra io, fa niseho iny resaka “doublons” namatotra ny rehetra iny vao nanala tena ny rehetra. Tsy misy porofo mazava hoentin’ny fanjakana sy ny CENI maneho fa tena madio sy mangarahara ny fikirakirana ny fifidianana teto. Ny fivoizana fanakorontanana no ezahina hasisika. Maninona ny CENI no tsy sahy hatramin’izao nanao ny fampitahana ireo lisitry ny mpifidy voasonia ? Nahoana no tsy miteny tsy mivolana ny HCC taorian’ny ampamoaka ? Tsy hanana fahamarinan-toerana ara-politika intsony ny fitondram-panjakana Rajoelina. Sarotra ny manarina an’io. Somary mangingina ny raharaha, saingy misoko miadana ny toe-javatra mampalemy hatrany ny fanjakana. Tonga hatrany amin’ny sehatra iraisam-pirenena izay mijery antsika akaiky ny raharaha. Ho kofona tanteraka ny fitondrana, izay toa miezaka manangam-bovona anefa. Ho vitan’ny HCC izay nametraka azy teo ve ny hiaro hatramin’ny farany ny fahefam-panjakana mitsingilahila ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.