Politique

Nestor Razafindramanitra “Andao hifampihaino ! ”


  • Talata 08 Febroary 2022

Misaotra an’Andriamanitra fa tsy nandalo teto Antananarivo ny rivodoza Batsirai, hoy ny sekretera jeneralin’ny fikambanana IFI,

ny mpitandrina Nestor Razafindramanitra, satria efa namotika ny faritra teto ny rivodoza Ana. Miombom-po tanteraka anefa, hoy izy, amin’ireo rava fananana, namoy aina, tra-pavoazana tamin’ny zava-nitranga tamin’iny faritra atsimo sy atsimo atsinanana iny. Miantso ny mpivavaka rehetra hahatsiaro am-bavaka, hifampivavaka, miantso ny Malagasy hifanome tanana. Izay tsy mahay sobika mahay fatram-bary. Mampirisika antsika ao anaty fitondrana aho. Ny fanjakana dia tsy maintsy manana ny soritr’asany. Raha tsy miatrika famahana olana ao anatina krizy dia ataovy hoe tsy miasa ny fitondrana, tsy miasa ny filoham-pirenena. Efa manao izay ataony ny rafitra rehetra. Mampahery antsika koa samy handray anjara ary mampahery ny tomponandraikitra tena akaikin’ireo voina maro samihafa ireo. Ny any am-pitan-dranomasina aza manampy sy manao antso ka isika samy eto indray ve no hifanakivy eto? Misaotra ny haino aman-jery fa matoa voaray ireny rehetra ireny dia niasa ny haino aman-jery. Na mahay aza ny Meteo sy ny BNGRC dia misaotra manokana ny haino aman-jery aho fa nahatafita ny hafatra ianareo. Tsy voatery hisy ra latsaka ny tolona, hoy hatrany ny tenany, naneho ny heviny mikasika ny 7 febroary 2009. Hatreto izay maty dia nampalahelo. Asehoy amin’ny asa ny fitiavan-tanindrazana ary andao hifampihaino, hoy hatrany ny tenany!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT