Tsy gaga amin’ny tsy fahombiazan’ny fandaminana ny krizy notantanin’ny Afrika Atsimo i Ndremanjary Jean André.
Hafa fiteny, hafa fomba fiasa ary hafa filozofia amintsika ry zareo firenena miteny anglisy, hany ka nivaona ny fampiharana ny tondrozotra. “Ry Simao anie no niara-namolavola io tondrozotra io tamin’ny mpanao politika Malagasy nefa nakisaka”, hoy i Iaban’i Kemba. Matoa miverina amin’ny fitarihana ny fandaminana ny krizy i Dr Leonardo Simao amin’izao dia miaiky izany ireo firenena miteny Anglisy fa tsy nahomby araka ny heviny hatrany. Mihevitra moa ity Minisitry avy amin’ny Hery Politika Mitambatra ity fa tokony hapetraka ny fepetra rehetra hisian’ny filaminana sy ny fihavanana.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.