Politique

Navotsotra vonjimaika i Clémence Tsy voahaja intsony ny fahalalana haneho hevitra


  • Zoma 15 Aprily 2022

Vao maraina dia efa nigadona teny amin’ny Sampana fanadihadiana momba ny heloka bevava teny amin’ny Tobin’ny zandary teny Fiadanana i Clémence Raharinirina.

Tsy tena nisy ny fanadihadiana lalina, fa nalefa avy hatrany teny amin’ny Fitsarana Ambaratonga voalohany Anosy. Fiakarana fitsarana fanimbalony ho azy ny omaly, ary tsy fantany izay mitory azy. “Tsy voahaja intsony ny fahalalana maneho hevitra sy ny demokrasia. Mety tohin’ilay tamin’ny sabotsy, ka ny loham-piampangana: fanakorontanana sy famoriam-bahoaka tsy nahazoana alalana. Tsy fahazakana demokrasia. “Mampalahelo sy mampahonena, izao fitondrana izao no nitompo teny fatratra amin’ny fahalalana miteny, ny demokarsia, nametraka mihitsy ny kianjan’ny demokarsia 13 taona lasa kanefa izao ny zava-misy”, hoy i Clémence Raharinirina, izay nanipika fa ny teo anivon’ny Kaominina no nananany olana fa tsy fitondram-panjakana kanefa dia izao no zava-miseho aminy. Nambarany anefa, fa manoloana ny fitoriana sesilany fa matoa ny fitsarana mbola namotsotra foana azy hatramin’izay, dia mazava fa tsy mitombina ny fanenjehana. Nisy hatramin’ny fangatahana fanesorana tsy ho mpanolontsaina. Mahatoky ny amin’ny zavatra nataoko aho, izaho tsy nandika lalàna, ary manaja izany, hoy hatrany izy. Nomarihiny hatrany anefa ny fahalalahana hiteny sy ny zo haneho hevitra. Notsiahiviny ny tenin’ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina“droit absolu” ny fidinana an-dalambe rehefa misy ny zavatra tsy zaka, ka andeha atao hoe nanaraka izany. Nosamborina tamin’ny fomba feno habibiana ny tenako kanefa vehivavy tsy tanana handrangotra, hoy hatrany i Clémence naneho ny alahelony. Naneho moa ny mpisolovava azy, fa ny fampiantsoana dia azo lazaina ho tsy manara-dalàna satria ny lalàna no mamaritra fa tokony ho fantatra ny antony, olona toriana sa vavolombelona,… Navotsotra, nomena fahafahana vonjimaika i Clémence Raharinirina, ary ny 03 may izao indray no hiakatra fitsarana raha tsy misy ny fiovana.
Toky R
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT