Andro iraisam-pirenena ho an'ny demokrasia ny 15 septambra, ka naneho hevitra momba io ny Filohan’ny Filankevitra Ambony Miaro ny Demokrasia sy ny Tany tan-dalàna (HCDDED),
Navony Pierre Lenoble omaly. Nambarany fa ny demokrasia eto amintsika dia araka ny voalazan’ny sasany, misy milaza hoe tsy misy, misy milaza misy loatra,… “Misy fa tsy tonga lafatra ny demokrasia eto Madagasikara satria maro be ireo fepetra tsy ananantsika, ary tsy niomana amin’izany isika fa malalaka ny olona miteny, hitantsika ireny amin’ny “facebook” ireny. Any Inde, Chine,… tsy misy an’izany facebook izany kanefa izy ireo milaza manao demokrasia”, hoy izy. Nilaza ity Filohan’ny HCDDED ity, fa eto amintsika mbola afaka maneho hevitra, indraindray aza efa tafahoatra ny fanehoan-kevitra mahakasika ny mpitondra antsika, mahakasika ny tsirairay. Izany dia ahitantsika fa mbola tsy voafehintsika ny demokrasia. Tsy natao hanompana olona na hanaovana zavatra tsy mety io ny demokrasia fa misy fenitra hajaina, dia ny fanajana ny hafa ihany koa. Fampianarana voalohany indrindra ho an’ny mpanao gazety, ny mpanao politika, ny mpitondra,… dia tokony hanana etika, hoy hatrany Atoa Navony Pierre Lenoble.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.