Politique

Navony Pierre Lenoble, filohan’ny HCDDED “Tandindomin-doza ny Demokrasia eto Madagasikara”


  • Talata 04 Jona 2019

Ambany be ny taham-pahavitrihan’ny fifidianana solombavambahoaka lasa teo ary taratra izany fa tsy tafita tany amin’ny vahoaka Malagasy ny hafatra.

 

 

 Maro be ny anton’izany ary anisan’ny tena lehibe tamin’ireny ny resaka kolikoly avo lenta nataon’ny depiote teo aloha ka lasa mahakivy ny vahoaka. 80% amin’ny vahoaka Malagasy no tsy nifidy teo ary tena loza ho an’ny demokrasia izany hoy ny fanambaran’ny filohan’ny HCDDED (Haut Conseil pour la Défense de la Démocratie et de l’Etat de Droit), Navony Pierre Lenoble. Na aza dia tsy maintsy manohy ny ezaka fanabeazana olom-pirenena ny tompon’andraikitra rehetra satria tena tsy ampy izany eto Madagasikara. Misy amin’ireo solom-bavambahoaka efa voafidy ireo aza moa no nandainga sahady satria milaza hanao foto-drafitrasa maro tahaka ny lalana kanefa tsy izany no andraikitra sahanin’izy ireo. Tokony hitandrina ny mpitondra fanjakana satria mety ho lasa hanohitra mihitsy ireo marobe tsy nifidy ireo hoy hatrany ny fanambarany. Tompon’andraikitra ary miaramanaiky ny rehetra indrindra ireo mpikarakara ny fifidianana fa tsy nahavita ny adidiny. Tsy maintsy ekena anefa ny valim-pifidianana saingy mila mandray lesona ny vahoaka hatrany amin’ny mpitondra.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT