Politique

Navony Pierre Le Noble- HCDDED “Tsy fotoanan’ny fidinana an-dalambe izao”


  • Alatsinainy 31 Aogositra 2020

Ny maha demokrasia ny demokrasia dia afaka maneho ny heviny, afaka miteny, kanefa mila jerena ny faharefoan’ny toekarena, hoy Atoa Navony Pierre Le

 

 

 

Noble Filohan’ny Filankevitra ambony miaro ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna, ary zon’olombelona (HCDDED). Dimy volana isika tsy niasa, ka tsy fotoanan’ny fidinana an-dalambe intsony izao, fa fanentanana amin’ny fiomanana amin’ny fifididianana manaraka. Fotoana hanentanan’ny andaniny sy ny ankilany ny mpanohana eny ifotony. Tsy ho zakan’ny vahoaka intsony ny grevy, tsy ho zakan’ny tsirairay intsony ny grevy, tsy misy mahazo tombony amin’ny fidinana an-dalambe afatsy olom-bitsy, hoy izy. Nilaza io Filohan’ny HCDDED io fa tsy miandany na amin’izay na iza izy ireo ary sarotra ny asany. Rehefa misy hevitra lazaina ary hita fa tsara dia manohana sy miresaka an’izay izahay. Rehefa tsy mety kosa toy ny fidinana an-dalambe, dia tsy mety. Tahaka izany ihany koa ny aty andaniny hoe: ny fitondram-panjakana dia misy hevitra iarahana sy tohanana, fa rehefa misy zavatra mikivalala ao anatiny dia toherina. Tsy misy demokrasia tena tonga lafatra eto ambonin’ny tany, eny fa na ireo firenen-dehibe efa niaina demokrasia 200 taona mahery aza, fa manatsara hatrany, hoy izy. Niala tamin’ny andriamanjaka, ny fanjanahantany, ny Repoblika isika, izay tena mbola marefo. Izay no antom-pisian’ny HCDDED. Tokana ny demokrasia, dia fanehoana mivantana ny hevitry ny tsirairay, fahafahana miteny, fahafahana mivory, fahafahana maneho hevitra no atao hoe demokarsia, hoy izy. Asa aloha raha malalaka izany eto amintsika? Ny haino aman-jerim-panjakana tsy malalaka ho an’ny mpanohitra, ny haino aman-jery gejaina, misy ny fanagadrana ireo tsy mitovy hevitra.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT