Politique

Nanohana an段 Jules Etienne ireo depioteny


  • Alatsinainy 24 Martsa 2014

Izay no vita ! Vaky ny MAPAR. Amin段zao ankatoky ny fanendrena praiminisitra izao dia fantatra izao, fa misy 25 amin段reo solombavambahoaka voafidy tamin地y anaran地y MAPAR no lasa nanohana an段 Dr Jules Etienne ho praiminisitra. Fahatsapana ny fahasahiranam-bahoaka ary ho fanohanana ny filoham-pirenena amin地y fanarenana ny firenena no anisan地y antony. Nanao fanambarana tetsy amin地y Mon Go�ter Andrefan但mbohijanahary mikasika izay fanohanana ity kandida praiminisitra natolotry ny vondrona PMP na ny maro an段sa miaraka amin地y filoham-pirenena, izy ireo omaly tolakandro. Sady mifanaraka amin地y lalampanorenena no afaka hanampy ny filoha hanao ny fampihavanam-pirenena

 Miampy 25, araka izany, ireo Depiote nanohana an’i Dr Jules Etienne, ity farany izay efa nanana depiote 87 tamin’ny 26 febroary 2014, andro farany noferan’ny fiadidiana ny Repoblika handraisana ny tolotra anarana hotendrena ho praiminisitra avy amin’ireo vondrona politika eo. Taorian’io anefa dia nisy koa solombavambahoaka maromaro mpikambana ao amin’ny GPS (Groupe Parlementaire Spécial) resy lahatra fa hanohana an’i Dr Jules Etienne. Amin’ity herinandro ity no hamantarana ny safidin’ny filoham-pirenena, ity farany izay mbola nanamafy indray omaly raha vahiny manokan’ny fandaharana iarahan’ny fahitalavitra  “TV5 Monde” sy ny gazety “Le Monde” fa olona afaka miara-miasa aminy, hanatanteraka ny fandaharan’asany, miombona vina politika aminy ary manaraka ny filozofia hitondrany ny firenena no praiminisitra tadiaviana.

Talohan’io tao amin’ny Radio France Internationale dia efa nanipika mazava ny tenany fa miainga avy amin’ny vondrona manana ny antsasamanila ao amin’ny Antenimieram-pirenena ny praiminisitra mba hisian’ny fitoniana. Raha ny kajikajy dia mazava fa mirona any amin’i Dr Jules Etienne ny safidy. I Jules Etienne (PMP) sy Haja Resampa (MAPAR) ihany rahateo no kandida voatolotra ofisialy. Tombony ho an’i Dr Jules Etienne anefa ny maha kandida mpisolo toerana an’i Hery Rajaonarimampianina rehefa tsy nosakanana tsy afaka nirotsaka izy sy Kolo Roger, ary ny laharana faha-3 an’i Dr Jules Etienne tamin’ny bileta tokana no nosafidian’i Hery Rajaonarimampianina hoentina tamin’ny fifidianana.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin窶冓ty sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"テ鵜ECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT