Telo volana aty aoriana, nangina tsy nisy tohiny intsony ilay raharaha nanosehana ny minisitry ny fitsarana teo aloha Atoa Imbiki Herilaza tamin’ny toerany ny 11 febroary 2022 lasa teo.
Voatonontonona tamin’ny raharaha goavana, toy ny resaka raharaha ady tany eny amin’ny Fitsarana, resaka fidirana an-tsehatra amina afera fanondranana harena an-kibon’ny tany, mety ho antony ara-politika ihany koa,… Nisy ny karazana ampamoaka nilaza fa nandray vola be 400 tapitrisa Ar tamin’ny raharaha fahatrarana teratany vahiny nitondra safira 925g teny Ivato ny 17 septambra 2021 ity minisitra ity sy minisitra iray hafa mbola ao anaty governemanta, saingy mbola nidoboka am-ponja ny olona sarona tamin’izany, ka antony nahavaky ny resaka. Nihazakazaka ny fandaozany na ny fanosehana azy hivoaka ny governemanta, saingy nangina tsy nisy tohiny ny raharaha. Ny fomba firesaky ny Praiminisitra taorian’ny fialany dia toa nandetika ankolaka ity minisitra teo aloha izay nalaza tamin’izany fotoana izany, fa tsara toerana hahazo ny toerana ao Mahazoarivo. Ny volana martsa 2022 teo, voalaza fa namoahana didy tsy fahafahana mivoaka an’i Madagasikara na IST Atoa Imbiki Herilaza, saingy tsy re intsony ny tohiny mandrak’ankehitriny. Mbola eto Madagasikara ve sa efa any ivelany sy efa nadio ny rano nitany? Ny tsikaritra aloha, dia tsy hita intsony amin’ireny lanonana ara-pitsarana lehibe anasana ireo Minisitry ny fitsarana teo aloha ireny izy. Ekena fa ny Fitsarana ambony HCJ (Haute Cour de Justice) no manana fahefana hitsara azy, saingy na ny tohin’ny fanadihadiana, toy ny avy amin’ny Bianco na ny PAC (Pôle Anti-Corruption) aza tsy re na misy na tsia. Na ny teo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny mpitsara moa mbola tsy nisy fanapahan-kevitra manokana momba azy re ka heverina fa isan’ny mampitarazoka ny raharaha. Na izany aza, mangina tanteraka toy ireo raharaha goavana samihafa ihany ity afera ity. Efa mandeha ny fanadihadiana araka ilay valiteny boribory fandre matetika ve ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.