12 desambra 2010 : Ambohipihaonana ho an’ny Antoko Tiako i Madagasikara tao amin’ny Magro Tanjombato. Tsy nisy dokambarotra totoafo, na artista malaza, na koa anjomara nanakoako nentina nitaomana olona fa dia nangorompotsy ity kianja ity omaly.
Tonga ampitiavana ny vahoaka, naneho fitiavana, firaisankina ary fihavanana ka nifamotoana tamin’ny Filoha Marc Ravalomanana tao amin’io toerana io, niara-nankalaza ny tsingerin-taona nahaterahan-dRamose, izay feno 61 taona katroka ary nankahery azy sy ny ankohonany. Any Afrika Atsimo izy, saingy noho fivoaran’ny teknôlôjia dia afaka nifanatri-tava izy mivady sy ny vahoaka sesehena tonga teny amin’ny Magro Tanjombato, toerana nanaovana ny lanonana fankalazana ny fetiny, izay nomanin’ny Antoko Tiako i Madagasikara. Nanaraka mivantana an-tsary ny fizotry ny lanonana amin’ny alalan’ny teknolojia vaovao ny Filoha Marc Ravalomanana mivady.
Tamin’izay no nanamafisany indray fa vonona ny hanohy ny asa fampandrosoana an’i Madagasikara ary nanokana ny androny sisa hanasoavana ny firenena ny tenany. Sady tsy atakalo no tsy amidy vola izany, hoy izy nanamafy. Ny fangatahany sady nanentanany ny vahoaka dia ny hisian’ny fifampitokisana. Hanao toy ny mpirahalahy mianala isika, ka ianareo vahoaka tokiko ary izaho tokinareo, hoy izy. Nisintona ny sain’ny maro ihany koa izy mba hanana fomba fijery lavidavitra, ka hibanjina ny tanjona ary hatoky an’Andriamanitra. Tsy maintsy misy farany izao krizy izao araka ny nambarany ary tsy maintsy hiverina ny lalàmpanorenana. Teny fampieritreretana no nanohizany ny teniny, ka nilazany fa ny olombelona dia mety ho solafaka ary mety diso ka tokony hifamela sy hahatsiaro tena ka hanao ho zava-dehibe ny fihavanana. Koa aoka isika hiray hina, hihavana ary hifankatia, hoy ny filoha Ravalomanana nanafatra. Tsy maintsy mandresy, hoy izy ny tolona ho amin’ny ara-dalàna ary nampahery ireo mpikambana marobe ao amin’ny Antoko izy tsy ho kivy fa hiroso hatrany amin’ny ezaka fanatsarana ny antoko sy ny fitakiana ny rariny. Tsy adinony koa ny nisaotra ny vahoaka Malagasy noho ny firaisankina sy ny fifankatiavana asehony na dia mafy aza ny zavatra zakainy amin’izao fotoana izao indrindra fa ireo fisamborana sy fanagadrana samihafa. “Aza matahotra, minoa fotsiny ihany” raha namarana ny teniny.
Tsapa fa mbola miankim-po amin’ny Filoha Marc Ravalomanana ny vahoaka ary miandrandra ny fodiany an-tanindrazana tsy ho ela hanavotra an’ity firenena ity. Antoko velona ny Antoko Tiako i Madagasikara ary manana ny maha izy azy. Nanamafy koa ny Sekretera Jeneralin’ny antoko, Mamy Rakotoarivelo fa mahatsiaro manokana ny Filohan’ny Delegasion’ny Ankolafy Ravalomanana, Atoa Fetison Rakoto Andrianirina sy ny Depiote Zafilahy Stanislas ary ny Pasteur Edouard Tsaharame ny Tiako i Madagasikara ka dia mangataka tsy misy hatak’andro ny fivoahan’izy ireo miaraka amin’ireo gadra politika hafa rehetra. Nofaranana tamin’ny fizarana mofomamy sy nofonkena mitam-pihavanana ny lanonana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.