Politique

Nananatra ny filohan'ny HCC "Manetre tena, mihainoa ny vahoaka..."


  • Alarobia 03 Jolay 2019

Tsy niova firy tamin’ny voka-pifidianana navoakan’ny CENI ny vokatra ofisialy omaly.

 

 

Niaiky ny filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) Atoa Jean Eric Rakotoarisoa fa nisy ary tsy azo hafenina ny fihenan’ny tahan’ny mpifidy. Betsaka ny resaka sy ny famisavisana samihafa. Mila fandinihana lalina ary misy ny manampahaizana Malagasy afaka mandalina izany amin’ny fomba ara-tsiansa hahafaha-misintona lesona sy manarina ny tsy mety, hoy izy. Somary nanipy teny tamin’ny teny vahiny ny tenany hoe: Iza no afaka hanome antoka fa raha haverina ny fifidianana dia hitombo ny taham-pandraisana anjara ?  Manana adidy ireo depiote vao lany, dia ny famerenana ny hasin’ny Antenimieram-pirenena sy ny fitokisan’ny vahoaka ny olom-boafidy, hoy izy. Mila miverina mihaino ny hetahetam-bahoaka ary mampiseho fa ho tena solontena sy mpitondra tenin’izy ireo. Biraom-pifidianana isam-pokontany no niaviana, ka misy hevi-dehibe io, dia ny fanambarana ny foko 22 sy ny tany masina antsika Malagasy izay tompony manjaka manana fa tsy ny vahiny indray. Zava-dehibe ny lalàna raha tiana hirindra ny fiarahamonina. Tanteraho ny adidy nomen’ny lalàmpanorenana dia ny famolavolana lalàna. Tokony ho tarigetra anefa, hoy izy, ny fandaminana ny fanjakana sy ny fiarahamonina mba hiaina amin’ny hitsiny sy ny fahamarinana. Mila miara-miaina eny anivon’ny vahoaka mba hiainga amin’ny zavatra tsapa sy iainan’ny vahoaka no hipoiran’ny lalàna. Natao hiarovana ny tombontsoan’ny besinimaro fa tsy ny an’ny mpitondra na ho an’ny olom-bitsy ny lalàna. Aza mikipy ny maso fa jereo ny fahoriam-bahoaka, ny fijalian’ny kamboty sy ny mananontena, malahelo, ny fadiranovana,... hoy Atoa Jean Eric Rakotoarisoa, izay nanararaotra niarahaba ireo solombavambahoaka vaovao.

 

Tahaka izao ny ho fitsinjaran’ny isan’ireo depiote 151 lany, araka ny vokatra ofisialin’ny HCC omaly: IRD: 86; Mahaleotena: 44 ; TIM:16 ;  Antoko hafa (GJMP, MTS, MDM, MATITA, RPSD VAOVAO): 5

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT