Politique

Nampitandrina ny antoko DHD “Lozabe io tsindrona io !”


  • Alakamisy 04 Jona 2020

Nampahatsiahy ny antoko politika DHD, tarihin’ny filohany, Harinaivo Rasamoelina, fa efa nilaza izy ireo fa tokony ho fitondram-panjakana hifanaraka amin’ny lazainy izao fitondrana izao.

 

 

 

 

Nilaza ny hanao fiovana sy fanovana izy kanefa rehefa dinihina dia niteraka olana be dia be ny fanapahan-keviny. Tsy miavaka amin’ny olana hafa io resaka rova io. Tsy misy mandrara azy tsy hanao fotodrafitrasa hafa saingy tsy tokony hikitika ny hasina sy ny vakoka mamaritra ny maha izy azy ny fiarahamonina. Manerana an’i Madagasikara io ary mety hanova ny firafitry ny fiarahamonina mihitsy ny fikitihana izany. Tena mifanaraka amin’ny kolontsaina sy ny toetsaina malagasy ve izao ny fitondrana ny firenena, hoy ny filohan’ny antoko? Efa voatrandraka sy voafehy ve? Ny Akademia malagasy ary mbola manao fikarohana foana hoe avy aiza marina isika ary ho aiza? Izany no antony maha hadisoana goavana ny fikitihana ireny vakoka ireny. Azon’ny filoham-pirenena atao ny manorina vohitra iray hafa tantanana hampatsiahivana ny tantara ankoatran’ireo efa misy raha izay no tiany, hoy hatrany ny DHD. Mikasika ny resaka fahamehana ara-pahasalamana moa dia nampitandrina ny DHD fa niampy aretina vaovao ny COVID 19 dia ny krizy sosialy sy toekarena. Lozabe, hoy ny filoha Harinaivo Rasamoelina io, tsindrona hatao io satria tsy ampy ny fanazavana anaty fiarahamonina. Faharoa amin’ny fotoana efa mampisavorovoro ny fomba fijery sy ny hevitra ary ny vaovao mifamoivoy eto ambonin’ny tany ka mahatonga ny olona miahiahy ka na marina na tsia izany ahiahy izany rehefa tafiditra anatin’ny olona dia lasa aretina goavana be. Ny saina tony anefa no fitsaboana tsara ho an’ny rehetra voalohany, hoy hatrany ny antsoavon’ny DHD.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT