Politique

Nampiantso ny SADC Nivitrana ny TIM ?


  • Zoma 14 Janoary 2011

Nanomboka omaly ny fandraisan’ny iraky ny SADC, tarihin’ny Dr Leonardo Simao, tao amin’ny Colbert Antaninarenina, ireo mpanao politika sy vondrona politika eto an-toerana, nihainoana sy niandrasan’izy ireo ny sori-dalana heverina fa hamahana an’i Madagasikara amin’izao krizy izao.

Zary ambohipihaonan’ny samy Tiako I Madagasikara anefa tao amin’ny Colbert io omaly io. Nifanontona tao ny elatra Raharinaivo sy ny delegasiona tarihin’i Mamy Rakotoarivelo. Taorian’i Peter Metcalf, solontena maharitry ny Firenena Mikambana eto Madagasikara, dia nifandimby noraisin’ny iraky ny SADC ny delegasiona Raharinaivo sy ankolafy Ravalomanana nahitana an-dry Rakotoarivelo Mamy. Fifanojoan-javatra ihany sa fandaharam-potoana efa nomanina izy ity satria ho an’ny mpandinika dia miendrika fanombohana famintranam-pihavanana eo amin’ny samy Tiako i Madagasikara ny raharaha. Naka andraikitra ho amin’izany ve ny SADC ? Raha ny zava-nitranga tokoa mantsy dia fifandraisan-tanana, fifanorohana … izay no kisary hita tao amin’ny efitra fisakafoanana ambany rihan’ny Colbert tamin’io omaly, fiandohan’ny tolakandro, io.

Lasa hatramin’ny hoe : «isika angaha miady». Niray efitra tao andaniny ry Raharinaivo Andrianantoandro, Vyvato Rakotovao, Ando Parson, mbamin-dry Jaona Ralison sy Bary Rafatrolaza, Ngolo Gilbert ankilany ry Mamy Rakotoarivelo, Manandafy Rakotonirina, Roland Ravotomanga, Yves Aimé Rakotoarison nampian’ireo mpahay lalàna isany Benjamin Andriamihanta sy Hanitra Razafimanantsoa. Toarian’ny nihaonany amin’ny SADC no namintin-dRaharinaivo ny resaka tao fa nisy ny dingana efa vita amin’ny famahana ny krizy sy fidirana any amin’ny Repoblika faha-4. «Miainga ny lamasinina ka dia naman’ny tavela eo izay tsy vonona”, no ohatra nentiny namintinana azy. Jaona Ralison, mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita indray raha naneho hevitra momba ny raharaha anatin’ny antoko Tiako I Madagasikara dia nilaza fa «tsy misy hahita tombontsoa amin’izay fivakivakisana. Fotoana tokony handinihan-tena izao. Henoina ny hevitry ny mpikambana avy any ifotony, ahitsy ny fomba fiasa tsy nahomby, ary tokony hijoro sy hanao ny andraikitra amin’ny maha antoko azy ny Tiako i Madagasikara, hahafahana miatrika ny fifidianana hoavy”.

Etsy ankilany dia azo antoka fa niaro ny sezany ingahy Raharinaivo nandritra ny dinika nifanaovany tamin’ny SADC. Ny delegasionin’ny ankolafy Ravalomanana koa anefa ankoatra ny fampahafantarana ny fizotry ny dinika teny amin’ny Le Hintsy dia nanamafy ny tolokevitra efa nijoroany hatramin’izay toy ny hoe azy ny toeran’ny filohan’ny Kongresy. Tsy ho zava-baovao amin’ny Dr Leonardo Simao rahateo ny amin’izay. Mbola hijanona efatra herinandro eto Madagasikara rahateo ny iraky ny SADC. Betsaka ny zavatra mety hiova ao anatin’izay. Fa raha ny nambaran-dRaharinaivo tamin’ny mpanao gazety taorian’ny fihaonany tamin-dry Simao dia hoe miankina amin’ny besinimaro eny amin’ny Kongresy no hijanonany na tsia eo amin’ny filohan’izy ireo.

Rakoto Maxime sy Jean D.
 
Sary : RaharinaivoAndrianantoandro sy Mamy Rakotoarivelo tao amin’ny Colbert omaly

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT