Namaly bontana ny fanambarana samihafa manakiana mafy ny fifidianana nahalany azy ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny sabotsy 7 martsa teo nandritra ny famoriam-bahoaka tao Betsinjaka Toliara.
Nahery fiteny sy manamaivana ny toe-draharaha mafampana, ary nanitrikitrika fa efa hatrany am-piandohan’ny fifidianana filoham-pirenena no efa fantatra ny fandreseny. Nambarany fa “Rehefa nisafidy ny vahoaka, nandeha ny fifidianana, dia nandeha ny fihodinana voalohany, izahay dia milaza hoe raha tsy nasiana fifidianana aza iny, fa raha ny fitiavan’ny vahoaka fotsiny no notsapaina dia efa fantatra hoe iza no mandresy ? Izao anefa ny zavatra mahagaga : nandeha ny fifidianana fihodinana voalohany, dia efa nilaza izahay fa mandresy. Nilaza ny sasany fa tsy mbola marina iny fifidianana iny. Nandeha ny fihodinana faharoa, nandeha ny fifidianana solombavambahoaka, dia mbola nandresy ihany, ary mbola resy ihany ry zalahy. Isaorana ny vahoaka aty Toliara satria nandresy ny MAPAR tamin’ny fifidianana depiote, hoy i Andry Rajoelina. Mbola milaza ihany ry zalahy hoe aleo asiana fihodinana fahatelo, ka nalefa ny fifidianana ben’ny tanàna. Nandresy tao Antananarivo, Nandresy tany Mahajanga, Toamasina, Toliara, Fianarantsoa,… kanefa izao indray milaza hoe andao hasiana “5ème tour”, ka aoka izay, leo ny vahoaka, liana amin’ny fampandrosoana ny Malagasy”, hoy i Andry Rajoelina.
Nandeha nivantana tamin’ny tambajotran-tserasera “facebook” moa ity kabary nataon’ny filoha ity, saingy mahagaga fa toa tsy hita intsony izany rehefa niverenana nokarohina omaly alahady. Nanenina tamin’ny vava be nataony ve ny filoha ? Ankoatra an’io, dia nitohy hatrany ny fampanantenana maro samihafa nataon’ny filoha toy ny hanamboarana Lapan’ny fanatanjahantena, fampianarana amin’ny sekolim-panjakana ho maimaimpoana,… kanefa ny eo aza mbola maro be ny tsy vita.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.