Nisy taratasy izay nalefan’ny Minisitry ny toe-karena sy ny fitantanam-bola
tamin'ny Filohan’ny vaomieran’ny fitantanam-bolan’ny Antenimierandoholona ny 10 novambra 2020, mikasika ny « transfert de crédit » ho an'ny Antenimieram-pirenena. Maneho ny fifangaroan'ny politika- politisiana amin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana io, hoy ny antenimierandoholona omaly. Misy ny fitongilanana eo amin’ny fijerena ny Antenimiera roa tonta isay samy Andrim-panjakana mpanao lalàna voarakitra ao anaty Lalampanorenana. Tsy mahatanty ny fijoroan’ny Andrim-panjakana iray izay manao ny asany antsakany sy andavany amin’ny fanaraha-maso ny asan’ny mpanatanteraka ny mpitondra. Iniana tampenam-bava ireo izay tsy mitovy hevitra na manakiana kanefa izay no anisan’ny fototry ny demokrasia; Mibaribary ankehitriny ny fampiasana ny fahefana entina hanapotehana Andrimpanjakana mba ahafahana mametraka fitondrana jadona sy tsy refesi-mandidy ary hanjakan’ny foto-pisainana tokana; Ny lolom-po sy ny valifaty politika no havela hanjaka handresy ny rariny ka hamotehana ny Andrimpanjakana, eny hatrany amin’ny ny fiainam-bahoaka, hoy ny fanambarana avy etsy Anosikely omaly. Nisy moa ny famindram-bola 5 637 556 157 ho an’ny antenimieram-pirenena, ka 4 340 357 000Ar dia tambin-karama, ary 1 097 200 000Ar dia “biens et Services”, ary 200 000 000 ho ana filàna samihafa. Karazana fanazavana miendrika fanesoana nalefa tamin’ny Filohan’ny Kaomisionina ara-bolan’ny Antenimierandoholona no natao hoenti-maneho fa ny antenimieram-pirenena no maika kokoa. Tsara ny mampahatsiahy, fa nanao fanambarana tsy fahampiana 7 miliara ny antenimieram-pirenena satria 59 miliara no nangatahany, ary 52 no azo, ka nanao fanairana fa noana izy ireo. Nikorapaka avy hatrany mpanatanteraka, ka namoaka didim-panjakana namoahana ny vola tao anatin’ny filankevitry ny minisitra tamin’ny herinandro ambony. Tsy noraharahiana kosa ny antenimierandoholona, fa nalefa any Atsimo, hono, ny vola. Maninona raha samy nampandeferina raha hanao izany ihany ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.