Politique

Nampiaka-peo i Maitre Olala “Ataovy mazava ny momba ireo fiara 4x4 Covid -19”


  • Sabotsy 25 Aprily 2020

Mitaky fanazavana amin’ny fampiasana ny fiara tsy mataho-dàlana maro be an’ny CCO Covid-19 ny mpisolovava Willy Razafinjatovo na Olala noho ny tranga niseho teny Ankadifotsy.

 

 

 

 

Tsy fantatra hoe inona marina no ilàna azy satria tsy misy fanazavana hatramin’izao, fa tamin’ny 20 martsa niantsoako ny mpanao gazety sy ny laharana 910 sy 913, dia tsy nisy namaly ary tsy tonga mihitsy namonjy ilay olona efa miala aina eto akaikinay. Mandalo fotsiny ireo fiara efa ho valo. Hamonjy ny ain’olona ve ireny sa handehandeha, hoy ity mpisolovava ity. Ny 23 aprily, dia nisy fiara iray nijanona teo am-bavahady. Ny làlany ve hitondra sy hanatitra aretina vaovao, izy indray no masiaka rehefa nasaina niala ary nilaza tamiko hoe: ianao aza tsy mahalala lalàna akory fa tsy manao sarom-bava akory, hoy i Olala. Namaly ny tokony hanomezana azy araka ny tenin’ny Filoha i Maitre Olala, raha ny nambarany. Nisy olona 8 na 9 tao anatin’io fiara io, ka izany ve no hoe fanajana ilay iray metatra, ary vola avy aiza marina moa no nividianana ireo fiara ireo, hoy ity mpisolovava ity.

Toky R sy J Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT