Notokanan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina omaly ny Orinasa mpamokatra lafarina LMOI (Les Minoteries de l’Ocean Indien).
Isan’ireo orinasa goavana indrindra eto amin’ny faritry ny ranomasimbe Indiana ity ozinina izy io. Mamokatra lafarinina 500 taonina isan’andro, ary tanjona ny hampiakatra izany ho 1200 taonina isan’andro amin’ny 2021. Mampiroborobo ny indostria isika mba hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Ozinina efatra izao no nisokatra tanatin’ny herintaona ary ho avo roa henin’izany ny tanjona izany amin’ny 2021, hoy ny fampanantenana. Mandray anjara eo anilan’ny mpandraharaha tsy miankina ny fanjakana ary mandrisika sy manampy azy ireo hampiasa vola eto an-toerana ho tombontsoan’ny firenena sy ny mponina. “Tafiditra ao anatin’ny velirano ny fametrahana ozinina lehibe. Velirano natao ny fametrahana sy fampiroroboroboana indostria eto aMadagasikara. Ny zavatra rehetra ilain’ny Malagasy dia tokony hovokarina sy haodina eto Madagasikara, ary isan’ny mandray anjara amin’izany ny LMOI. Hatrizay I Madagasikara dia manafatra lafarinina 250 000 taonina isan-taona”, hoy I Andry Rajoelina. Tombony ho an’i Madagasikara ihany koa satria hihena 15% ny vidin’ny lafarina noho ny famokarana eto an-toerana no sady hihatsara ny kalitao, hoy ny fampanantenany omaly; velom-bolo ny rehetra mampiasa lafarinina ary dia miandry hoe rahoviana ny fampiharana izany.
NY TEO NARODANA MBA HIDIRAN’NY HAFA
Asa na fifandrifian-javatra ihany na ahoana, fa taorian’ny fitrongisana ireo sisa tsy may sy voaroba tamin’ny orinasan’i Marc Ravalomanana no nipoitra ity orinasa ity. Orinasam-panjakana ve ity notokanana ity sa ana sehatra tsy miankina notokanan’ny Filoha? Efa nisy teto ny Orinasa Mana nanamboatra lafarinina, nisy Tiko Oil nanamboatra menaka,… nopotehina, nilazan’ny vondrona Tiko fa fa 1461 miliara ny totalim-bidin’ny fananany nopotehina sy norobaina. Mbola nakatona vao tsy ela ny AAA sy Magro mba hany tafarina.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.