Mahavelom-panantenana, hoy ny depiote voafidy tao amin’ny boriboritany faha 5, Naivo Raholdina, ny governemanta vaovao satria hita taratra ao ireo mpitolona. zavatra miisa 2 no takiana amin’izy ireo, hoy izy.
Mila manatanteraka vinan’ny filoham-pirenena sy manao asa misy vokatra izy ireo. Tsy tokony hisy minisitra sahy hanevateva solombavambahoaka intsony fa asan'ny depiote ny manara-maso sy mitsikera an’ireo mpanatanteraka rehefa tsy mifanaraka amin’ny filan'ny vahoaka ny asa ataony, hoy hatrany ny fanazavany. Nisaotra ny filoham-pirenena moa ny tenany manoloana ny fanapahan-kevitra noraisina teo anivon’ny minisiteran’ny fitsarana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.