Politique

Naivo Raholdina Tsy mitarika ny FAFI V intsony


  • Alatsinainy 12 Oktobra 2020

Manohana hatrany ny kandida natolotry ny IRD amin'ny fifidianana loholona ho avy izao ny antoko politika TGV eto amin'ny boriboritany fahadimy, hoy ny filohan'ny departemantany, ny depiote Naivo Raholdina,

 

 

 

 ny sabotsy teo, raha nampahafantatra ny foiben'ny Tanora malagasy vonona, boriboritany fahadimy etsy amin'ny Villa Hanitriniala Ambohidahy Ankadindramamy. Namafisiny fa tsy mitarika ny fikambanana FAFI V intsony ny tenany fa hifantoka manokana amin'ny fitantanana sy fampiroboroboana ny TGV misahana ireo fokontany miisa 27 ao amin'ity boriboritany ity. Ny vadiko, Hanitriniala Raholdina, kosa, hoy hatrany izy, dia hanohy ireo asa sosialy hatramin'izay. Izy araka izany no filohan'ny fondation fanantenana FAFI V izay efa am-polo taona, hoy ny fanamarihany no nanao asa soa. Nanolotra fanampiana toy ny vary 5 kilao, menaka 1 litatra, arotava ary voamaina ho an'ireo nanotrona ity fotoana ity moa izy mivady.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT