Politique

Naivo Raholdina “Tsy manana olana amin’ireo minisitra aho”


  • Alarobia 01 Jona 2022

Tontosa omaly teny amin’ny antenimieram-pirenena Tsimbazaza ny fifanatonana manaraka amin’ireo minisitera voakasiky ny aditany miverimberina eto Madagasikara.

Tsiahivina, hoy ny filohan’ny vaomiera mpanadihady ny aditany miverimberina izay eny anivon’ny antenimieram-pirenena, ny depiote Naivo Raholdina, fa ny minisiteran’ny fanajariana ny tany, ny minisiteran’ny fitsarana, izay nahitana minisitra voalohany nandefa fialan-tsiny ary nampiseho fa tena tsy teto ary niangavy hoe aleo mba izaho mihitsy no ho any no isany nantsoinay. Tsy manana olana izahay ary misaotra azy manokana aho, hoy I Naivo Raholdina. Ny SEG no fahatelo. Ny valala moa misy, ny mpihaza mahay ary dia nihevitra izy fa asam-baomiera ilay izy ka izay no antony nandefasany tekinisianina fa tsy sanatria fanambaniana akory. Nanangana filankevitra teny Analanjirofo moa izy dia nifampiantso izahay mirahalahy ka nilaza an’izay tamiko ho antony nandefasany lehibena sampan’asa na “chef de service” izy. Nanazava koa izahay hoe tsy “chef de service” no ilainay satria misy amin’ireo aza nahazoanay fitarainana. Fahaefatra ny minisiteran’ny tetibola ary isaorana ny minisitra fa io resaka fandraketana na “enregistrement” io koa no mampihisatra ny fitsarana. Ny minisitry ny filaminana anatiny no fahadimy izay mbola andrasanay hatreto ny valinteny avy any aminy. Ireo minisitra 2 voalaza farany ireo izany sisa andrasanay satria mikasika ilay resaka “enregistrement” teo izao ka ohatra hoe nividy tany 10 tapitrisa ariary ilay olona dia ny 6 tapitrisa resaka “enregistrement” fotsiny. Tsy manana olana amin’ireo minisitra rehetra ireo I Naivo Raholdina ary mbola hanao tatitra izahay amin’ny fanadihadiana parlemantera, hoy hatrany ny tenany. Tafita amin'ireo mpanantanteraka ireo ny fitarainan’ny vahoaka mahakasika aditany miantefa manokana amin'izy ireo, hoy ny fanomezan-tokin’ity vaomiera ity. Ny ministry ny fitsarana dia niantso ny solombavambahoaka hitondra ireo raharaha fitarainana momba ny aditany aminy ary nanentana mafy ireo solombavambahoaka ahasahy hilaza ampahibemaso ireo mpanao kolikoly na mpitsara izany na olona ambony hamongorana hatrany ifotony ny olan'ny aditany vokatry ny didy avoakan'ny fitsarana sy ny fitsarana miangatra hataon'ny mpitsara sy ny maro hafa. Ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena koa dia nampanantena handray andraikitra izay tandrify azy, raha ny fampitam-baovao voaray omaly hatrany.
J. Mirija
Legende: Naivo Raholdina sy ny vaomierany nandray ny SEG sy minisitry ny fitsarana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT