Politique

Naivo Raholdina “Toherin’ny SMM ny veliranon’ny filoham-pirenena”


  • Alarobia 08 Jona 2022

Nihaona tamin’ireo mpikamban’ny vaomieran’ny antenimieram-pirenena misahana ny aditany miverimberina teny Tsimbazaza omaly ny solontenan’ny minisiteran’ny tetibola sy ny toekarena sy ny minisitry ny filaminana anatiny.

Tsara ny mampahatsiahy, hoy ny filohan’ity vaomiera ity, Naivo Raholdina, fa ny fanamarihana varotra tany na “acte de vente” dia tsy maintsy mandalo fandraketana na “enregistrement” vao mandeha ny fifamindrana na “mutation”. Nanazava mikasika izany, hoy izy, ny minisitera. Noresahana tamin’ny minisitry ny filaminana anatiny kosa ny mikasika ireo ady madio mikasika aditany dia mivadika ady maloto na ady heloka dia indraindray ilay olona migadragadra fotsiny. Indraindray ihany koa misy fampiharana didy ilana mpitandro filaminana dia tsy tonga ilay mpitandro filaminana. Izay ny mikasika ny kaomisionina fanadihadiana parlemantera fa manoloana ny fanambaran’ny SMM mikasika ny tsy fanekeny hananganana fitsarana manokana dia tiako ny manambara fa 12 taona izao no nitantanako ity vaomiera ity ary ato amin’ny velirano voalohany dia milaza ny filoham-pirenena fa ho arindra ny politika momba ny fananan-tany. Velirano fahatelo, ady amin’ny kolikoly sy fitsarana miangatra. Mazava tsara ao ambany ao fa atao mazava tsara sy mangarahara ny didim-pitsarana. Afaka mandeha ao amin’ny varavarana voalohany ato amin’ny antenimieram-pirenena ianareo fa hatramin’izay nisian’ity antenimieram-pirenena ity dia izao vao nisy olona sahy ary betsaka indrindra ny fitarainana momba ny aditany. Ny 90% dia resaka fitsarana sy didim-pitsarana avokoa. Fitsarana miandany! Fitsarana miangatra! Tsy adala daholo ireo vahoaka mikaikaika amin’io fitsarana io. Ny filoham-pirenena no nanao velirano tamin’ny vahoaka fa tsy mety ny fitsarana mitanila sy ny kolikoly anaty fitsarana. Tsy ny filohan’ny SMM no nofidian’ny vahoaka fa ohatran’ny mahagaga ihany fa refesin’ny SMM ny antenimieran-doholona sy ny depiote satria tampotampoka dia misy ST, Malagasy migadra miady amin’ny sinoa sy karana. Toherin’ny SMM indray izao ny veliranon’ny filoham-pirenena mihitsy ka miala tsiny. Mila vahana ny olan’ny aditany eto Madagasikara. Tahaka ny ady amin’ny Covid, ny fisian’ny fitsarana manokana momba ny andramena, ny kolikoly io atao io, hoy hatrany i Naivo Raholdina.
J. Mirija
Legende: Naivo Raholdina, hotronin’ireo mpiray vaomiera aminy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT