Politique

Naivo Raholdina “Miangatra ny fitsarana misy amin’izao”


  • Talata 15 Febroary 2022

Tsy ohatran’izao no niafaran’ny minisitry ny fitsarana izay nametra-pialana teo, Imbiki Herilaza, raha nihaino ny teniko izy, hoy ny depiote Naivo Raholdina, naneho ny alahelony manoloana ny zava-misy omaly.

Mitaky aho, hoy izy, tetsy ankilan’izay ny hanohizana ny fanadihadiana mikasika ny fikasana hamono ahy. Amin’ny maha solombavambahoaka an'i Madagasikara voafidy tao amin'ny boriborintany fahadimy, filohan'ny vaomieran’ny fanajariana ny tany sy fitantanana ny fananan-tany no sady filohan'ny vaomiera mpanadiady ny ady tany miverimberina eto Madagasikara azy dia miantso ny praiminisitra lehiben'ny governemanta sy minisitry ny fitsarana mpitsara na mpisolo-toerana, ministry ny filaminana anatiny, sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena ny depiote Naivo Raholdina mba hanara-maso ny fitorian'ny olona an-dramatoa Razaivola Raissa, vadin'ny filohan'ny holafitry ny vaditany, Rakotonirina Alain, eny Fenoarivo indrindra hiaro an'ireo mpitory. Faharoa, hanara-maso ny raharaham-pitsarana rehetra amin'ny ankapobeny, anisan'izany ny raharaha Antanandrano mampifanolana ny mpandova sy ny Telma. Eo koa ny taranak'ilay sinoa amin'ny Tia shop Analakely mpanagadra gasy izay voarohirohy ho mpandoro asidra, mibodo tranon'olona kanefa efa nodimandry. Fahatelo, hanohy ny famotorana io voatondro nikasa hamono ny solombavam-bahoaka. Miisa 2 no efa tanana am-ponja vonjy maika mahakasika ity raharaha ity saingy anisany voatonotonona ho isany mikasa hamono azy koa i Razaivola Raissa sy ny vadiny Rakotonirina Alain ary ny ben'ny tanàna iray voalaza fa miara miasa amin-dramatoa Razaivola Raissa ary olona hafa, hoy hatrany ity depiote ity. Manamafy ny tenany fa miangatra ny fitsarana amin'izao. Isany ahitana taratra izany ny "Raharaha Telma sy Tia Shop Analakely". Mila diovina ny fitsarana. Mila matoky ny solombavambahoaka sy ny fitarainan'ny vahoaka ny mpanatanteraka fa voaporofo izao fa miseho mahafantatra olona io Ramatoa io. Tsy latsaky ny im-pito aho, hoy hatrany izy, no niteny tamin’ny minisitra Imbiki Herilaza hoe sambory io saingy tsy nohenoina.
J. Mirija
Legende: Depiote Naivo Raholdina sy ireo mponina eny Fenoarivo
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT