Politique

Naivo Raholdina Homono tena ho an-dRajoelina ?


  • Talata 04 Desambra 2012

Ireo naharaka tsara ny raharaha politika tato anatin’izao fitondrana tetezamita izao dia nahatsikaritra fa anisan’ireo mpanao politika vao misondrotra, tena manohana an’i Andry Rajoelina, i Naivo Nantsoina Raholdina izay nahazo seza eny amin’ny CST moa ary filohan’ny vaomiera momba ny fananan-tany.

 Mpikabary no tena nahafantaran’ny olona azy, saingy enin-taona lasa izay no nanapa-kevitra ny hiditra teo amin’ny sehatra politika ny tenany ka nifaninana tamin’ny fifidianana solombavambahoaka tao amin’ny boriborintany faha-5 teto an-drenivohitra, saingy tsy nahovoka firy moa nanoloana ny kandidan’ny TIM tamin’izany fotoana izany. Rehefa nipoitra ny hetsika notarihan’i Andry Rajoelina dia hita ho nanara-drenirano tsimoramora teny ihany, i Naivo Raholdina saingy tsy tena mbola nampiseho mihitsy ny loko politikany. Rehefa raikitra kosa anefa ny fizarana seza tao amin’ny parlemanta dia iny fa niala amin’izay ny saron-tavany ka niezaka ny nanohana sy niaro ny filohan’ny FAT, araka izay tratry ny sainy sy ny heriny izy.

Nody ventiny ny rano nantsakaina satria dia voatendry ho mpikambana CST ity mpitarika ny FAFI V ity, izy moa dia ao anatin’ny vondrona UDR-C, izay manohana ny filohan’ny tetezamita. Nanomboka teo dia henjana dia henjana ny fanakianan’ity mpikabary, lasa mpanao politika ity ny ankolafy Ravalomanana sy izay rehetra mifampikasokasoka aminy, ary raha azony natao angamba ny nanompa an’Atoa Marc Ravalomanana dia efa nataony izany. Efa nanomboka moa ny ady an-trano teo amin’ny samy mpanohana an’i Andry Rajoelina, koa nanomboka naka sisin-tosy ireo dinôzôro politika ka dia nahazo aina ingahy Naivo Raholdina ary nanomboka naneho hevitra, efa ho isan’andro amin’ny filazam-baovao, ary na ny olon’ny TGV aza dia hita fa tsy nahavita ny vitany amin’ny fiarovana an-dRajoelina.

Raha fintinina ny fomba firesany dia tsotra : tsy mbola nisy filoha nahavita tahaka an’i Andry Rajoelina teto, ary tena mety ho an’ny vahoaka Malagasy mihitsy ny ataon’ny fitondrana tetezamita. Tonga dia mahazo teny gasy aminy, izay miseho manakiana ny filohan’ny tetezamita, na miteny zavatra tsy dia mira zotra loatra amin’ny ataon’i Andry Rajoelina sy ny ekipany. Farany teo moa dia tahaka ny nofantsihan’i Naivo Raholdina tamin’ny sezany mihitsy ny praiminisitra Omer Beriziky raha nandalo teny amin’ny CST. Nahatohina olona maro ny vava be nataon’ny CST Raholdina, ary na ny praiminisitra mpitsiky lava aza, dia tena hita fa tezitra fa mody nifehy tena fotsiny, amin’ny maha diplaomaty azy. Maro no mihevitra fa tena vonona hamono tena ho an’i Andry Rajoelina ny CST Naivo Raholdina, ary tsy ahoany izay resaka sy fanakianana mahazo azy, etsy sy eroa, satria noho ny antony tsy fantatra mazava dia tahaka ny tena tratry ny fanova-maso mahery vaika angamba izy, ka tsy mahita intsony ny tsy fetezan-javatra maro be ataon-dRajoelina.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT