Niaka-pofona tanteraka tamin’ilay fampihemorana ny datim-pifidianana ny mpikambana CST Naivo Raholdina sady filoha nasionalin’ny antoko FAFI V.
Milaza ny ho kivy amin’ny CENIT ity olom-boatendry fatra-piaro an’i Andry Rajoelina ity, ary nahitsy mihitsy ny fanambarany fa tena sarotra ny mbola hahatoky ny CENIT taorian’iny fanapahan-keviny iny. Narosony lavidavitra mihitsy aza ny adihevitra hoe : moa va tena hisy fifidianana marina amin’ity taona ity ? Nametra-panontaniana i Naivo Raholdina ny amin’ny hoe : dia tena tsy vitan’ny CENIT tokoa ve ny manatanteraka fifidianana iray, amin’io datin’ny 8 mey 2013 io fa tsy maintsy nahemotra ilay izy ?
Raha manahirana noho ny antony maro samihafa ny fifidianana filoham-pirenena dia azo natao aloha ny fifidianana solombavambahoaka, hoy izy. Tahaka ireo rehetra mpanara-dia ny filohan’ny tetezamita dia tsy mankasitraka ny fampihemorana ny fifidianana ny CST Naivo Raholdina ary vao mainka tsy eken’ny sainy mihitsy ilay hoe ny fifidianana filoham-pirenena no alefa mialoha. Tahaka ny efa nampitoviana mihitsy ny tadin-dokanga fa mitovy amin’ny tenin’i Andry Rajoelina nandritra ilay fandaharana manokana tao amin’ny fahitalavi-pirenena ny zoma alina teo avokoa, ny fomba firesak’ireo mpanao politika manohana azy, momba ny fanakianana ny CENIT, ary maro no mihevitra fa tena hihetsika fa tsy hipetra-potsiny ny ankolafy Rajoelina ka hitady ny paika sy tetika rehetra hampanjakana ny heviny….tahaka ny efa nahazatra azy hatramin’izay.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.