Politique

Naivo Raholdina “Aza miandry esorina ny minisitra tsy mahavita azy”


  • Alatsinainy 12 Jolay 2021

Nanao tatitra ho an’ny vahoakan’ny boriboritany fahadimy, izay nosoloin’ireo sefo fokontany sy sefo sektora, tetsy amin’ny kianja maitson’Analamahitsy ny sabotsy teo ny depiote voafidy teny an-toerana, Naivo Raholdina,

  izay sady filohan’ny vaomiera misahana ny fananan-tany eo anivon’ny antenimieram-pirenena, noho ny hamehana ara-pahasalamana. Nivory, hoy izy, ny antenimieram-pirenena nanomboka ny 4 mey 2021 ka hatramin’ny 7 may 2021. Ny lalana fanitsiana ny tetibola dia nolanianay tao. Tolo-dalàna miisa 12 no tonga tao. 8 no nolanianay. Volavolan-dalana 12 no tonga tao. Lany avokoa izany fa nasiam-panitsiana ny 3. Tolo-kevitra na “résolution” 5 no nodinihina. Lany ny 3. Tsy nipetraka tamin’ny fanaovan-dalana fotsiny teny amin’ny antenimieram-pirenena fa nisy fivoriana iraisampirenena tamin’ny alalan’ny “visio-conference” miisa 9. Nisy koa ny “bureau parlementaire des affaires” niara-niasa sy nivory tamin’ny parlemantera Malagasy. Mpikamban’ny parlemanta francophone moa isika dia nandray anjara tamin’izany ny depiote malagasy. Nisy koa ny kaomisionina politika eto Afrika, ny kaomisionina maneran-tanin’ny parlemanta nandraisantsika anjara. Maro ny asa vita teto amin’ny boriboritany fahadimy ary tsaroanareo tsara fa nahazo solon’anarana hoe Naivo kely mpiady aman’olona aho. Niady ny tenako tamin’izany hoe io kianja ao Androhibe io dia hanaovana EPP manara-penitra. Notanana am-ponja ny sefo fokontany tao ary nijoro ny tenako niaro azy. Nolazaina fa niady tamin’ny fiangonana FLM koa nefa Kristianina ny tena. Eny Androhibe ankehitriny ny EPP manara-penitra izay tsara indrindra eto Antananarivo. Lalankely 15,706 km, lakan-drano 2,240km no vitantsika teto amin’ny boriboritany fahadimy. Paompin-drano miisa 7, toeram-panasan-damba miisa 4, toeram-pitsaboana isan-karazany sy maro hafa no efa vita. Ho avy koa ny “Pompier” goavana hipetraka eto Analamahitsy Cité. Ny solombavambahoakan’ny boriboritany faha 5 no nahazo voalohany amin’ny fangaraharahana, araka ny navoakan’ny Transparency International. Mbola hizara titra faobe 500 mahery eto isika ny alakamisy izao. Nisy ny fihaonan’ny depiote tamin’ny governemanta. Mandeha ankehitriny ny fanadihadiana parlemantera mikasika ny olan’ny fananan-tany eto Madagasikara ka izay tratranay nanao risoriso na titra sandoka na tsindry bokotra dia tsy ho ekenay depiote. Andry Rajoelina fa tsy ny minisitry ny fitsarana no tohanako. Ianareo minisitra izay tsy mahavita azy, aza miandry esorina fa mametraha fialana! Manao antso amin’ny filohan’ny repoblika sy praiminisitra aho, hoy hatrany ny tenany, mba hijery akaiky ny minisitry ny fitsarana sy minisitra sasantsasany.

J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT