Politique

Naivo Raholdina « Aleo ny Depiote hanao ny asany »


  • Alakamisy 18 Jona 2020

Nisy ny fanapenan’ny mpisolovava izay manambady mpitsara ny lalam-pokonolona nampiasana an-taonany maro teny Tsarahonenana ka nametrahan’ny fokonolona fitoriana teny anivon’ny fitsarana Ady Maika sy fitarainana teny anivon’ny Kaominina Antananarivo renivohitra.

 

Tamin’izany anefa dia tsy nanana ny fahazoan-dalana na ny « permis de clôture » akory izy ireo ka nanaovan’ny Solombavambahoaka Naivo Raholdina fanentanana ho an’ireo vahoaka teny an-toerana mba tsy ho tratran’ny fiantsiana ka tsy hikitikitiana an’ireo fefy ireo fa hiandry am-pitoniana ny valim-pitsarana. Ankoatr’izay dia nanambara ity Solombavambahoaka voafidy teto amin’ny boriborintany faha dimy ity fa mitohy hatrany ny asa fanamboaran-dalan-kely izay tanterahana aminy alalan’ny CLD eny amin’ny boriborintany iandraketany. Ankoatran’ny fokontany Tsarahonenana sy Ambohimirary sy ny sisa izay efa andalam-pahavitana dia natomboka ihany koa ny eny Analamahitsy izay misy lalan-tany tohizana pave. Eo ihany koa ny eny Alarobia Amboniloha izay ahitana lalana amafisina amin’ny beton ary tsy nohadinoina velively ny eny amin’ny faritra iva tahaka ny Morarano izay nanamboarana lalan-kely 300 metatra sy tetezana hiarovana amin’ny fiakaran’ny rano mampikaikaika ny mponina mipetraka eny an-toerana. Efa betsaka ny asa sosialy nataon’ny solombavam-bahoaka Naivo Raholdina mivady teny an-toerana toy ny fanamboarana bassin sy ny sisa ary mbola nanamafy ny tenany fa tsy hanadino velively ireo faritra iva ary amin’ny alalan’ny CLD no hanatanterahana ny asa. Marihina fa tsy mitantana io volan’ny FLD na Fond local de développement io ny Depiote ary tsy manao ny fifanarahana (convention na contrat) amin’ny mpanantanteraka ny asa ihany koa fa andraikitry ny distrika sy ny sisa izany fa ny manoro sy mitondra ny asa takian’ny vahoaka ihany no andraikiny araka ny fanazavana. Rehefa izay dia manara maso hatrany ny asa izay tanterahana sy mitondra ny hetahetam-bahoaka tahaka ny atao eny Morarano sy ny hafa ny tenany. Niezaka nizara aro vava ary nanentana hatrany ny vahoaka hanao izany teny amin’izay toerana nolalovany rehetra ihany koa ny Solombavambahoaka mivady ary nanafatra hatrany ny tokony hitandremana satria mbola misy hatrany ny valan’aretina eto Madagasikara.

Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT