Politique

Naivo Nantsoina Raholdina «Tsy olana aminay raha ahemotra ny fifidianana”


  • Alarobia 05 Janoary 2011

Ny fifidianana ihany no tena azo antoka fa hamaha ny krizy araka ny fahitan’i Naivo Nantsoina Raholdina, filohan’ny antoko FAFI (Fampandrosoana antoky ny Fiandrianam-pirenena) sady mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita (CST) azy, mazava mantsy amin’izay ny tena hevitry ny vahoaka ka hisafidianany izay olona hitany fa mahavita azy, hoy izy.

Nanamarika anefa ity mpikabary sady mpanao politika no mbola mpampianatra dihy ity fa natao hamaha olana, fa tsy natao hiteraka olana mihitsy ny fifidianana ka mila fitandremana tsara ny fanomanana sy fikarakarana ary fanatanterahana azy. Hoy indrindra izy : «efa nifanekena fa ao anatin’ny main-tany no hanaovana ny fifidianana rehetra eto amintsika satria tsy mety ilay amin’ny avy orana ; namoaka ny datin’ny 16 martsa anefa ny governemanta, mety noho ny hamehana angamba . Fa rehefa mifanaiky tsara ny rehetra fa tsy mety io fa ahemotra dia tsy misy olana mihitsy, ary na izahay ato amin’ny CST aza efa maro no mieritreritra fa tokony ahemotra io datin’ny 16 martsa io, ary izahay dia vonona ny handray anjara amin’ny fifidiana rehetra mipoitra eo».

Momba ny famotsoran-keloka kosa dia nambarany fa tokony avahana tsara ny hoe mpanao politika migadra sy gadra politika, satria tena misy ireo mpanao politika migadra noho ny heloka sy fandikan-dalàna nataony tahaka ny hoe : nisololoky, nanodikodim-bola, nanao taratsim-bola tsy misy antoka, nangalatra na namono olona mihitsy. Fa misy kosa ireo mpanao politika na mpitolona nogadraina noho ny fanehoan-kevitra nataony izay mety tsy azoazon’ny mpitondra fanjakana. Azo tanterahana tsara ny famotsora-keloka, hoy i Naivo Nantsoina Raholdina saingy tsy tokony hisy intsony izany hoe : tsimatimanota, manao izay tiany izany eto amin’ny firenena. 

Nangonin’i RTT
 
Sary : Naivo Nantsoina Raholdina, filohan’ny antoko FAFI sady mpikambana ao amin’ny CST

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT