Politique

Naivo Nantsoina Raholdina Mitsipaka ny hoe «Asa fa tsy kabary»


  • Alakamisy 27 Septambra 2012

Navoaka ofisialy ho fanta-bahoaka omaly, ilay boky miendrika Diary nosoratan’ny mpampianatra kabary Naivo Nantsoina Raholdina sady filohan’ny FAFI-V no filohan’ny vaomieran’ny fananantany eo anivon’ny CST, mitondra ny lohateny hoe : «Ny politikan’ny kabary sy ny kabary politika».

 Ahitana pejy 114 ao aminy ary 1000 no isan’ny natonta tamin’izao andiany voalohany izao. Amin’ny maha Diary azy, hoy ny fanazavana, dia hita ao anatin’ity boky ity avokoa rehefa anaram-boky kabary navoakan’ireo mpikabary sy mpanoratra ary mpandalina Malagasy. Hita ao koa ny anaran’ny fikambanana mpikabary isan-tokony mbola velona sy manana taratasy mazava avy any amin’ny ministeran’ny atitany sy toeram-pianarana kabary misy ankehitriny ihany koa. Ahitana sombintsombina kabarin’ireo mpitondra teto Madagasikara na mbola eo na tsy eo amin’ny fitondrana intsony ao anatiny ary kabary dontany sy kapotandroka fohifohy mampihomehy sy ohabolana ihany koa. Fa miavaka kosa anefa ny tantaran’ny mpanoratra manokana sy ny lalana nodiaviny ao anatiny. Izany rehetra izany, hoy ny CST Raholdina, dia azo hanaporofoana fa tsy afaka misaraka amin’ny kabary isika Malagasy fa izay toerana alehantsika hatrany amin’ny fahaterahana ka hatrany amin’ny famadihana sy fanambadiana ka hatrany amin’ny fitondrana dia ao foana ny kabary.

Amin’ny 24 novambra 2012 dia mbola hamoaka boky vaovao hafa indray ity mpanoratra ity, araka ny nambarany, dia ny boky torolalana mikasika ny fananan-tany ho an’ny vahoaka izany. Amin’ny alalan’ny kabary no hanambaranao ny tetikasa, hoy izy, fa raha hirotsaka hofidiana filoham-pirenana ianao nefa tsy hikabary dia hivavaka fotsiny ohatra an-dRafotsibe eo. Fa ny kabary politika, hoy izy, dia fifandresen-dahatra. Ka aminay tsipahanay ambavafo ilay teny malaza fahiny hoe “Asa fa tsy kabary” fa raha nahay kabary ny tompon’io teny io tamin’izany tsy niongana. Iza moa, hoy izy, no tsy niteny teto hoe : aleonay ihany tamin’ny andron’ny politikan’ny kibo, fa tsy hainy ny nanazava izany ary ny olona miteny hoe asa fa tsy kabary dia mbola kabary no hanambarany izany.

 
Manohy 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT