Politique

Naina Andriantsitohaina Vonona hizara traikefa amin’ireo kaominina hafa


  • Alatsinainy 21 Desambra 2020

Tamim-pifaliana no nandraisako ny fivorian'ny AMGVM sy ny hetsika City's Up Madagascar,

 

 

 niaraka tamin'ireo Ben'ny Tanàna namana avy amin'ny Kaominina Ambonivohitra manerana ny Madagasikara, hoy ny ben’ny tanànan’Antananarivo Naina Andriantsitohaina. Fifanakalozana traikefa, fifankahafantarana ary fihaonana tamin'ireo mpiara-miombona antoka. Nitsangana ny birao vaovaon'ny AMGVM mandritry ny 2 taona, izay tarihin'ny Ben'ny Tanànan'ny Diego, Antsirabe (Filoha Lefitra), Fianarantsoa (Sekretera Jeneraly), Ambilobe (Mpitam-bola) ary Fort-dauphin (Mpitam-bola Lefitra). Antananarivo kosa no Filoham-boninahitra. Isaorana lehibe ireo Ben'ny Tanàna namana nametraka ny CUA sy ny tenako ho Filoham-boninahitry ny fikambanana, hoy . Nambaran’i Naina Andriantsitohaina, fa vonona ny CUA hizara ny traikefa sy hifanampy amin'ireo Kaominina manodidina sy ireo Tanan-dehibe rahavavy. Ny fiaraha-mientan'ireo Kaominina no hanampy betsaka amin'ny fampandrosoana ny Tananantsika, hoy izy.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT