Nandritra ny lanonana nisiana fifanaovan-tsonia noho ny fiaraha-miasa amin’ny
masoivoho Japonais amin’ny alalan’ny fanolorana fitaovana ho an’ny mpamonjy voina no nanehoan’ny ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina hevitra momba ny fepetra horaisina eto Antananarivo manoloana ny covid-19. Ny fepetra voalohany dia mikasika ny asan’ny kaominina. Midina eny an-tànana sy mifanerasera amin’ny mponina ka hohamafisina aloha ny fitaovana hoentina, hoy izy namamly ny mpanao gazety. “Tsy maintsy ho tafaverina amina fepetra hentitra isika, mitovy amin’ny teo aloha tsy hoe fihibohana, fa na izany aza hita ho tsy dia manaraka fepetra intsony ny olona. Tsy manao arovava intsony, ka noho izany dia tsy maintsy hiverina amina fitantanana hentitra kokoa”, hoy i Naina Andriantsitohaina. Ho an’ny taksibe dia mbola hivory miaraka amin’ny komity ara-stratejika ny kaominina, ny fepetra ara-pahasalamana tsy miova izay efa ho herintaona eo izao no nametrahana azy. Tsy mbola miova ireo fa ny fanaraha-maso azy ireo ny hampitomboina, hoy ny ben’ny tanàna. Tsy maintsy maintsy hiverina amin’ny fampanajana ny fepetra anatiny toy ny isan’ny olona, ary ho hita eo ny resaka famendrahana, fa raha ilaina dia tsy maintsy haverina.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.