Tototry ny kiana sy ny adihevitra ny ben’ny tanànan’Antananarivo Atoa Naina Andriantsitohaina amin’izao fotoana izao. Sasatry ny mandamin-dresaka amina toe-javatra maro na eo aza ny karazana fampisehoan-kery, raha tsy hilaza afatsy ny fandrodanana tsena sy trano,
izay nanaovana vava be fa vava samy manana, gazety samy manana, tele samy manana,… Nandeha ny fandaniana ny tetibolan’ny kaominina, dia nivoaka ireo mpanolontsaina avy amin’ny TIM, Komba, IRK iray noho ny tsy fitovian-kevitra, saingy nolaniana tamin’izay nitiavana azy ihany ny tetibolan’ny kaominina. Ny tsapa anefa dia toa manao tsobo-dranon-dRamiangaly ny ben’ny tanàna sy ny ekipany, ka rehefa mafana ny resaka iray dia hihemorana. Toa sasatry ny mamono afo eo anatrehan’ny toe-draharaha mafana. Isan’ireny ilay taratasy nivoaka ny 20 aogositra momba ny saika hanomezana tany ny orinasa TOM ao anatin’ny vondron’orinasan’ilay karana Hassanein Hiridjee. Taratasim-panjakana izao no nampiantso ny mpanolontsaina monisipaly, saingy tampoka teo dia hoe efa tsy nekena, ary tsy tafiditra ao anatin’ny lahadinika satria nafana ny adihevitra. Io indray fa lasa adihevitra ny resaka hetra midangana eto amin’ny kaominina, izay nambaran’ny ben’ny tanàna fa tsy nanova ary tsy nikitika ny saran'ny asa fanamboarana madinika momba ny trano toy ny fandokoana, fanavaozana ary fanoloana tafo ny ekipa mpanatanteraka ankehitriny. Efa zava-misy teo aloha avokoa ireny tamin'ny tetibola 2019 fa tsy nampahafantarina ny mponina, hoy ny ben’ny tanàna. Tsy nisy an’izany nihantra teo aloha, ary amin’ny fitondrany no saika hampiharana azy, saingy io miteraka adihevitra io. Manohitra tanteraka ny voalazan’ny ben’ny tanàna rahateo ireo mpanolontsaina sasany, izay naneho fa ny tetibola nolanian’ny IRK io. Voafitaka foana tokoa ve izany ny ben’ny tanàna sa manao tsobo-dranon-dRamiangaly ka mihemotra rehefa mafana ny toe-draharaha? Ny tsy azo lavina dia misavoritaka ny raharaham-panjakana eo anivin’ny kaominina.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.