Politique

Naina Andriantsitohaina Nosalorany tamin’izay mampety azy ny samboady


  • Alarobia 01 Jolay 2020

Tranga telo no voamariky ny maro tamin’ny fiseho sy fihetsik’i Naina Andriantsitohaina, Ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra nanodidina ny fankalazana ny tsingerintaona faha-60 niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara.

 

 

 

Teo ny nofonkena mitam-pihavanana nanomezany omby ireo mpitandro ny filaminana nandray anjara tamin’ny Matso. Teo ny loza voasoroka nanoloana ny omby nifatotra ho fanomezana ho an’ny Tafika. Fa teo amin’ny fiseho dia niavaka i Naina Andriantsitohaina tamin’ny nisalorany ny samboady maha Ben’ny tanàna. Tany amin’ny andilany havana no nisy ny vona mivolom-bolamena tamin’ilay samboady nentiny. Kisendrasendra sa tsy fahalalana sa sanatriavina niniana natao mba hiavaka ? Nitaza-maso fotsiny ireo mpiara-miasa akaiky aminy, nefa andro sy lanonan-dehibe no hisehoana ? Ho an’ny Ben’ny tanàna mantsy dia eo ambalahana ary mivona ao ankavia ny samboady, amin’ny loko telon’ny sainam-pirenena. Ny andininy faha- 49 amin’ny lalàna 2014-020 no mamariparitra io samboadin’ny Ben’ny tanàna io.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT