Politique

Naina Andriantsitohaina “Mila olom-baovao ny firenena…”


  • Alarobia 08 Aprily 2020

Araka ny voalazan’ny Filohan’ny Repoblika, dia hapetraka ny komity « Loharano » eny anivon’ny Fokontany sy ny « secteurs ».

 

 

 Izany dia mba ahafahana mitantana, mandrindra ary manara-maso ireo hetsika rehetra eny anivon’ny fokontany, na ara-tsosialy, na toekarena, na ara-pahasalamana. Manoloana izany, manao antso amin’ny vahoakan’Antananarivo ny ben’ny Tanàna Naina Andriantsitohaina. “Mila olom-baovao ny firenena, to-teny, ary vonona hitondra fampandrosoana ho an’ny Tanànantsika. Traikefa maro no ilaina amin’izany : fampianarana, fahasalamana, fiangonana, mpitandro filaminana sy ireo maro hafa, na tanora, na Ray aman-dreny, tsy anavahana na fiaviana, na finoana, na foto-kevitra politika”, hoy ny voasoratra tao anatin’ny fanambarana ofisialy navoakan’ny kaominin’Antananrivo renivohitra omaly. Eny anivon` ireo boriborintany rehetra no hanaterana ny antontan-taratasy misy ny anarana, ny adiresy, laharana finday, ny karapanondro ary ny traikefa azonao entina. Nanomboka omaly  izany ary mandritra ny 2 andro. Marihana fa olona 6 isaky ny secteur no ilaina ka ao anatin’izany ny Sefo secteur.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT