Nisy moa ny fivoriana tsy ara-potoanan'ny Filankevitra monisipaly ny herinadro lasa teo. Tena nanamarika ny fivoriana moa dia no terena hatao latsa-bato miafina ny fandaniana ny lahadinika izay tokony ho atao tsangan-tanana ka tsy nanaiky ny ankamaroan’ireo mpanolotsaina ka nivoaka ny efitrano fivoriana avy hatrany.
Tsara ny manamarika fa anisan` ny teboka hamaritana ny tsy fahaizana mitantana ary mety hahavoasazy ny Ben'ny tanana any amin' ny “Conseil de Discipline Budgétaire et financière (CDBF) ka handoavany onitra telo hetsy hatramin'ny 30 miliara ny fandaniana na fampidirana vola tsy nankatoavin'ny filankevitra kaominaly. Marihana fa ny filohan' ny filankevitra na ny solotenam-panjakana miadidy ilay kaominina no afaka mitory ny ben` ny tanàna eny anivon` ny CDBF. Araka izany dia mila mitandrina sy mailo amin` ny fanapahan-kevitra horaisiny i Naina Andriantsitohaina, ben` ny tanànan` ny kaominina Antananrivo Renivohitra.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.