Raha saika mifantoka any amin’ireo mpisehatra politika nihetsiketsika tato ho ato hatrany ankehitriny ny sain’ireo mpanara-baovao,
ankoatran’ireo izay efa nalaza ho manana ny tanjany amin’izay sehatra izay hatramin’izay eto Madagasikara moa dia hita ho miketrika mangina ny ho avy politikany sahady ihany koa ny ben’ny tanànan’Antananarivo, Naina Andriantsitohaina. Namory vahoaka tany Toliara ny filohan’ny vondrona afrikanin’ny Judo na UAJ, Siteny Randrianasoloniaiko. Mitety faritra ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina. Manomboka miha mampiseho ny maha izy azy koa io ny praiminisitra, Ntsay Christian. Malaza ho Malagasy manana ny tanjany indrindra ka afaka mametraka hatrany ny dian-tanany tao anatin’ireo governemanta nifanesy ihany koa ilay mpanefoefo, Mamy Ravatomanga. Etsy ankilan’ireo anefa dia hita ho manao ny ataony hatrany saingy tsy mba handrenesam-peo firy ny ben’ny tanànan’Antananarivo. Nimenomenona sy nikorontana ireo mpivarotra amoron-dalana ary nitokona naneho ny tsy fahafaliany toa azy ireo ihany koa ireo mpivarotra nanana tranombarotra na “box” nanamorona arabe maro teto an-drenivohitra saingy tsy nihemotra ny tenany na dia nanary asan’olona maro aza vokatr’izany. Mitabataba lalandava mikasika izay heverin’izy ireo fa tsy fetezan’ny fitantanana eo anivon’ny KAR ireo mpanolontsain’ny tanàna manohitra azy saingy tsy nisy fanehoan-kevitra hita tamina haino aman-jery toy ny nataon’ireto mpanohitra azy ireto namalian’ny ben’ny tanàna izany fa tao avy hatrany ny mpanolontsainy sasany niharana fiantsoana fanadihadiana sy fampiakarana raharaham-pitsarana totoafo ary izao miafara amin’ny fangatahana ny fialan’ireo mpanolontsaina manohitra ireo ankehitriny mihitsy moa. Isan’ny fanontaniana mipetraka ny hoe tsy fahazakana demokrasia ve ny an’ny ben’ny tanàna sa efa fanomanana rantsa-mangaika hanohana azy 100% atsy ho atsy? Isan’ny efa feo mandeha rahateo ny hoe mba manomana ny taona 2023 koa ny lehilahy.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.