Politique

Naina Andriantsitohaina Mbola minisitry ny raharaham-bahiny ?


  • Alatsinainy 02 Martsa 2020

Fanontaniana napetraky ny gazety boky iray mpivoaka aty amin’ny ranomasimbe Indianina ny hoe : mbola misahana ny minisiteran`ny raharaham-bahiny tokoa ve ny ben`ny tanàna Naina Andriantsitohaina ?

 

Araka  ny fanamarinana nataon’ity gazety boky ity dia ity minisitra teo aloha ity no mbola andry iray iankinan`ny fitantanana raharaham-panjakana ho an`i Andry Rajoelina manoloana ireo manampahefana vahiny, indrindra ny frantsay. Marihana fa ny 12 septambra 2019 no voatery nametra-pialana i Naina Andriantsitohaina noho izy hirotsaka hofidiana ben`ny tanàna an`Antanananrivo Renivohitra. Kanefa aminy no matetika mifandray ny masoivoho frantsay miasa sy monina eto amintsika, Christophe   Bouchard. Mafy izy eo amin`ny sehatry ny iraisam-pirenena. Diplomasia iombonana, mivelatra amin’ny lafiny sehatra maro, tsy mikaton-trano, tsy miandry baiko fa mametraka hatrany fa ny tena no tompon’andraikitra voalohany, tsy miandriandry fa manatona ny hafa, ary mifantoka hatrany amin’ny fahazoana vokatra moa no politika nitondran`ny minisiteran`ny raharaham-bahiny fony izy minisitra. Anisan`ireo mampifandray ny fanjakana amin`ny frantsay ihany koa ny minisitry ny fiarovam-pirenena, rah any tati-baovaon’ity gazety boky ity ihany. Raha tsiahivina, efa nanambara ny firenena frantsay fa hanolotra angidim-by telo ho an`ny tafika Malagasy mba entina hanamafisana ny fanaraha-mason`ny sisin-tany Malagasy. Ny tafika Malagasy dia efa manana angidim-by telo saingy matetika hamboarina fa tsy tonga dia vonon-kiasa.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT