Efa mandeha ao amin’ny kaominina amin’izao fotoana ny fanadihadiana ataon’ny Inspection Générale de l’Etat (IGE) sy ny fitsarana misahana ny vola,
hoy ny ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina nandritra ny fandaharana manokana tamin’ny haino aman-jery nataony omaly.Fampanantenana tamin’ny fampielezan-kevitra ary tena notanterahana io, hoy izy.Nambarany fa maro ny « afera » tsikaritra ary ho maro ny antontan-taratasy alefa eny amin’ny fitsarana.Tsy sanatria manenjika ny teo aloha fa manomana ny ho avy isika, hoy i Naina Andriantsitohaina. Momba ny asa nampanantenaina fa hatao kosa dia nanambara ny ben’ny tanàna : fa 9 volana izy izay no nitantana ny tanàna ary tao anatin’ny krizy ara-pahasalamana ny enim-bolana tamin’ireo ; ny hoe afa-po, tsy afa-po aho saingy tsy kivy kosa hoy izy.Tsy dia tiako loatra ity resaka fametrahana vato fanombohan’asa na Pose de la première pierre, hoy ingahy ben’ny tanàna saingy ho avy kosa ny fampandrenesana rehefa hanomboka asa ny kaominina.Asa tafiditra tao anatin’ny programa sy ny fampanantenana tamin’ny propagandy ireo.Notsindriany tsara anefa fa arakaraky ny eo am-pelatanana no hiasana, maro no tsy mandoa hetra eto Antananarivo Renivohitra hoy i Naina Andriantsitohaina.Aoka hofantatra ihany koa fa lava be ny fepetra (procédure) any amin’ireo mpiara-miombon’antoka ka mety izay no maha ela ny fanombohana ny asa ; tsy maintsy maindry ny fahavitan’ny « procédure » isika, hoy izy.Tsara ho marihana fa lany handoavana karama sy hampandehanana asa ny 90% n’ny tetibolan’ny kaominin’Antananarivo Renivohitra hatrizay ; hitohy tahaka izay ihany amin’ity taona ity io hoy i Naina Andriantsitohaina fa ny vola ampidirina kosa no tsy maintsy ampitomboina mba hahafahana manatanteraka ny programanasa.
Tsy rariny ny hoe 4 miliara ny vola miditra amin’ny Easy Park kanefa 100 tapitrisa no azon’ny kaominina, hoy ny Ben’ny Tanàna.Tsy maintsy foanana ny fifanarahana amin’ny Easy Park fa tsy foanana kosa ny fandoavam-bola amin’ny Parking.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.