Manomboka mafana ny tsikera mahazo ny ben’ny tanànan’Antananarivo Atoa Naina Andriantsitohaina.
Maro ny adihevitra politika misokatra eo anatrehan’ny fihetsiky ny fiadidian’ny Kaominina ankehitriny, niainga tamin’ny fandravana tsena teo Analakely, izay namoahan’ny ben’ny tanàna teny mafy tamin’ny hoe : « vava samy manana », ary tsy izy no homena lesona. Maneho sy mivoy ny ben’ny tanàna fa manala ny kaominina ao anatin’ny gaboraraka sy ny tsy fanarahan-dalàna, saingy adihevitra ny hoe ao anatin’ny fotoanan’ny krizy tahaka izao ve no handrava sy hanimba fiainan’olona? Niampy ilay taratasy fampiomanana ny haino aman-jery MBS hiala ao anatin’ny 6 volana izay nanaovan’i Marc Ravalomanana valin-kafatra, dia mifoha ny fampahatsiahivana ny fampanantenana nataon’ny ben’ny tanàna tamin’ny fampielezan-kevitra. Isan’ireny ny fanafoanana ny Easy Park, fanavaozana ny tsena ka ambany ambony tsena ary ambany parking, fanaovana tsena goavana eny Anosibe sy Analamahitsy, fanaovana cantine scolaire isaky ny EPP, toeram-pivoahana miisa 250 hotratrarina ao anatin’ny taona voalohany hiasana, fampitomboana ny paompy (borne fontaine) ary atao maimaimpoana, toeram-ponenana na « logement social » 500 hotratrarina ao anatin’ny taona voalohany, fisokafan’ny orinasa fanodinana fako ao anatin’ny 3 taona. Mandeha ny fanakianana fa ny handrava ny nataon’ny teo aloha no toa maha maika.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.