Politique

Naina Andriantsitohaina Mametram-panontaniana ny fomba fitantanany


  • Zoma 11 Septambra 2020

Tratry ny fitsaram-bahoaka amin` ny tambajotra sosialy “facebook” ny ben` ny tanànan’Antananarivo Renivohitra Naina Andriantsitohaina.

 

 

 Tsy ireo paikady apetrany akory no tena olana fa ireo fanapahan-kevitra mandroso mihemotra raisiny. Ohatra, nivoaka ny fiantsoana fivoriana monisipaly ka hita tao anatin` ny taratasy fampiantsoana ny lahadinika ary isan` izany ny fifanarahana amin` ny orinasa TOM izay voalaza fa hoe hanofa ny tany misy ny MBS eny Anosipatrana. Ny harivan` io anefa dia nanambara Andriamatoa Ben` ny tanàna fa tsy misy an`izany lahadinika izany. Nandray fanapahn-kevitra indray ny teo anivon` ny Kaominina Antananarivo Renivohitra fa ho tataovan-ketra ny fandokona trano. Tsy olana mihitsy ny fandoavan-ketra ary tena ilaina amin` ny fampandrosoana mihitsy izany saingy mihemotra indray ny fanapahan-keviny satria tsy mifanaraka amin` ny zava-misy iainan’ny mponina amin’izao fotoana; mbola anaty krizy ve no hampitombo ny sehatra handoavan-ketra ? Mametram-panontaniana ihany ny hoe: tena hain` ny ben` ny tanàna ve no mitantana asam-panjakana? Miasa tokoa ve ireo ekipany, ny mpanolotsaina azy, ny kabinetrany ? Ankoatr’izay tsy tokony adino fa mpandraharaha i Naina Andriantsitohaina mialohan’ny nidirany teo amin’ny politika; mazava ho azy fa tsy maintsy misy ampahana foto-pisainana mpandraharaha tafiditra amin’ny fomba fiasany ka mety ho noho izay no mahatonga ny savorovoro ara-panahapan-kevitra io.Tsy teknika fotsiny ny fitantanana tanàna fa politika ihany koa, asa na fantatr’ingahy ben’ny tanàna sy ny ekipany izany.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT