Nafana ny resaka nandritra ny fanokafana ny fivorian’ny mpanolotsain’ny kaominina Antananarivo natrehin’ny ben’ny tanàna Atoa Naina Andriantsitohaina omaly.
Nangatahan’ny mpanolontsaina avy amin’ny Komba Rtoa Hilda Hasinjo Ravelonahiana ny hamadihana fitaovam-pianarana ka hividianana izany ny vola 3 miliara ariary eo heverin’ny ben’ny tanàna hividianana “tablette” ho an’ny mpianatra. Raha tena misy finiavana hitsinjo ny mpianatra zanak’Antananarivo, dia andeha horesana lahatra ny mpamatsy vola mba hividianana kitapo, penina,… ho an’ny mpianatry ny EPP, fa tsy “tablette”, hoy izy. Nampiaka-peo ny Mpanolontsaina IRK Clémence Raharinirina, toy ny resaka vola alaina amin’ny mpitatitra niakatra 1000%, raha ny nambarany. Ankoatra io,nilaza ianao tao amin’ny fahitalavitra fa ny 16 boxs ihany no ara-dalàna eny, ary efa nanaiky hifindra any Anosy. Nampiantso azy ireto mpivarotra ary naneho hoe: aiza ny taratasy milaza fa nanaiky izahay fa hifindra eny, hoy ity mpanolontsaina ity. Lazaina fa tsy ara-dalàna ny hafa 46 boxs. Ao anatin’ny tetibola anefa, gaga izahay mahita fa voasoratra ao ny hoe hakana hofany 150 000 ar ho an’ireo boxs miisa 46, hoy izy. Tsy manana zavatra miafina izahay fa ny tena tianay dia fampandrosoana ny tanàna. Ampy angamba izay ny fandaniana andro amin’ny adihady, vonona ny mpanolontsaina hiara-hiasa dia vonona ihany koa ny mpanatanteraka. “Raha misy mpanolon-tsaina vonona hiady, ny ben’ny tanàna ihany koa tsy mitsoaka ady”. 16 boxs, hoy ianao hoe tsy marina izany, nivory teto ireo 16 ireo, nisy solontena, vavolombelona, mpanolotsaina,… izaho niresaka taminy kanefa izao lazainao mpandainga. Apetraho izay fanontanianao hovaliako, ataovy izay tianao any amin’ny fahitalavitra, fa ampy angamba izay fandaniana andro amin’ny adihady, hoy izy. Naveriny fanindroany, fa raha misy mpanolontsaina vonona hiara-hiasa, dia vonona ny mpanatanteraka, ary raha misy vonona ny hiady, ny ben’ny tanàna tsy mitsoaka ady. Mihenjan-droa ny tady, izay toa misy fanehoana fahavonona hiara-hiasa, fa tsy misy mitsoaka ihany koa rehefa hifanenjana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.